Ny raim-pianakaviana takian'ny vanim-potoana ankehitriny dia lehilahy manam-panahy ; izany hoe manana finoana sy manompo an'Andriamanitra. Maro ny raim-pianakaviana dia saropiaro amin'ny fanaraha-maso ny zanany, ary mikendry ny hatafita ny zanany. Ny fahasahiranana sy ny asa fivelomana dia misy fotoana mampihena ny fahafahan'ny raim-pianakaviana manara-maso ny fianaran'ny zanaka sy ny fahasalamany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Misy teboka 8 azo anabeazana ny zanaka mianatra hahay mizaka-tena, sy teboka 3 hatonga azy ho tompon'andraikitra, ireo dia samy mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana. Ny mahay dia mahafehy ny fahalalana iray nampianarina ny olona iray ary lasa fahazarany. Ny mizaka tena dia tsy miandry tohana avy amin'ny hafa fa izy tenany no mikaroka hevitra hamahany ny olany sy mampiatra izay nianarany manoloana ny tranga iray. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia aretina azo avy amin'ny fifampikasohan'ny taovam-pananahana ary mifindra amin'ny taovan'olona iray. Ny ra mifampikasoka ihany koa dia mety ho fomba hifindran'ity aretina ity, fa misy koa ny tsiranoky ny taovam-pananahana. Mety mifindra amin'ny zaza entina am-bohoka ny aretina ao amin'ny reny bevohoka. Ny fifanorohana amin'ny vava ihany koa dia mety hamindra aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...