Ny vanim-potoana ririnina dia mangatsiaka, tokony tsy hatao ambanin-javatra anefa ny fahadiovana : tanana, tongotra, vatana ary loha. Ny sokajin'olona rehetra dia tokony hidio daholo, zaza hatramin'ny lehibe ; ka in-droa isanandro raha vita dia ny maraina sy ny hariva. Ny olona tsy mandro dia tsy hahazo hafanana mihitsy satria tsy misokatra araka ny tokony ho izy ny maso-kodiny. Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana isan'izany ny akanjo sy vatana. Ilaina ny manao mafana satria raha magatsiaka loatra dia mandany hery "énergie" betsaka. Miezaha misakafo maro loko, madio sy mafana ary ara-potoana...

Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo. 

Ny diabeta dia fiakaran'ny fatran'ny siramamy ao amin'ny ra, izay mety hihaotra ny 1,27g/l. Nandritra sy tao anatin'ny vanim-potoana ny valan'aretina Covid19 teo dia niakatra ny fahafantarana ny isan'ny olona marary ny diabetra no ny fitomboan'ny fitaovana ahafahana mitily isam-batan'olona. Ny fitiliana HbA1c dia manome fampahalalana momba ny kalitaon'ny ra sy ny siramamy mandritra ny 4 ka hatramin'ny 8 herinandro mialoha ny fitiliana. Ny diabeta dia miteraka voka-dratsy maro : ny fahasimban'ny lalan-dra madinika sy ny lalan-dra vaventy, ny fiakaran'ny tosi-dra, ny AVC, olana eo amin'ny voa, fery tsy mety sitrana...

Ny 31 mey  dia andro maneran-tany  tsy hifohana sigara. Ny taova mety ho simba rehefa mifoka sigara ny olona dia maro fa isan'ireny ny avokavoka sy ny taovam-pisefoana. Ny voka-dratsy ny sigara dia mety hakasika ny vatana sy ny taova manontolo : fo, ati-doha, lalan-dra, tosidra ary mety hiafara amin'ny homamiadana. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia vetivety dia haingana be ny fiatraikany. Loza ho an'ny manodidina, izay tsy mpifoka sigara ny fisian'ny olona mpifoka iray. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila manana finiavana sy faharesen-dahatra anaty. Ny fiankinandoha amin'ny sigara dia azo sitranina. Ny olona te hiala amin'ny sigara dia mila fanampiana amin'ny olona manodidina azy, ara-tsaina sy ara-tsakafo...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...