Misy fizarana sivy ny faritry ny kibo, ka samy hafa, araka izay faritra ahatsapana fanaintainana ny aretina mety mahazo ny olona iray. Ny fizarana sivy : mizara telo amin'ny tsanganana, avy eo ambany nono hatreo amin'ny valahana, ary mizara telo ihany koa ny avy amin'ny lafiny avia miankavanana ; somary lehibe kokoa ny faritra afovoany rehetra manandrify ny foitra. Ny fanaintainana amin'ny faritry ny kibo dia tsy aretina fa soritr'aretina. Ny karazan'ny fanaintainana : manindrona, mavesatra, manotika, miolana...

Isaky ny 14 febroary no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny androbe. Ny androbe dia aretina ateraky ny fikorontanan'ny fiasan'ny atidoha. Ny antony mampikorontana ny asan'ny atidoha dia ny fisan'ny fihenan'ny herinaratra manampy amin'ny asa fibaikoana hataon'ny atidoha. Maro ny antony mahatonga ny androbe : azo hatrany am-bohoka, azo avy amin'ny reny nandritry ny fitondrana vohoka, fahasimban'ny faritra ao amin'ny atidoha, fivontasana na omamiadana amin'ny atidoha...

Ny 11 febroary dia andro maneran-tany natokana hatsiarovana ny marary rehetra. Maro ny aretina mateti-pitranga rehefa fahavaratra, isan'ireny ny aretim-pivalanana, areti-koditra, aretin'ny taova-pisefoana, ary ny tazomoka. Mampiabo ny fipariahan'ny aretina rehefa fahavarana ny fikorontanan'ny tontolo iainana : rivotra maloto, rano miandrona sy maloto, ny fiovaovan'ny toetrandro, fifandimbiasan'ny hatsiaka sy ny hafanana.

Isaky ny 04 Febroary no fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny homamiadana, izay aretina mety hafaty raha tsy voatsabo. Ny homamiadana dia aretina azo avy amin'ny fiovan'ny sela ao anatin'ny olombelona, izay mitombo mihoapapana sy tsy voafehin'ny vatana intsony. Ny homamiadana dia miteraka fivontosana ka manimba ny taova misy azy ary mety hiparitaka amin'ny taova hafa. Ny homamiadana dia azo tilina, azo soroina ary azo tsaboina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...