Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...

Voambolana malaza nanomboka tamin’ny hetsi-bahoaka notarihan'ny GEN Z teto Madagasikara ny hoe "fanovàna", izay lasa teny isan'ny enti-mamaritra ny asa andrasana amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Andrenesana izay teny fitakiana fanovana izay na ny lafiny sosialy, na ny toe-karena, fa indrindra ny tontolo politika, izay hitakian’ireo mpitolona ny hampiharana izany hatrany ifotony, miainga eny anivon’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina ary miafara any amin’ny mpitondra mpanatanteraka.

Ny LFI na teti-bola lasitra ho an'ny fampiasàna ny volam-panjakana mandritra ny taona. Havadika ho lalàna eny amin'ireo Antenimiera izy io, rehefa alalinina sy fakafakaina ary ankatoavinin’ireo solombavambahoaka sy Loholona ho lalàna, isaky ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra. Mandritra ny taona manaraka no ampiharana azy, mety hisy kosa fanitsiana mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka ny volana mey amin’ny taona diavina. Dia ireny efa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireny ny sasantsasany voaraikitra anatin’io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io ho an’ny taona 2026.

---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...