--- Na dia efa tany amin’ny taona 2024 aza no velon’ahiahy amin’ny mety hisian’ilay aretina MPOX na ny NENDRAN-DRAJAKO isika teto Madagasikara, dia ny faramparan’ny volana Desambra teo vao voaporofo fa....nialoha lalana ny taona vaovao 2026...ny fisiny teto Madagasikara. MPOK, NENDRAN-DRAJAKO, fa tsy NENDRAN-DRAGIDRO araka ny nambaran’ny olona sasany. Na dia tsy ron-gisa koa aza ity aretina ity, dia fantaro fa misoko mangina ny fiparitahany ankehitriny. Mety tsara tokoa ny iray noho ny roa raha amin’ny lafiny hafa, saingy...tsy atoro ianao mpihaino fa zava-doza raha MISONGA ny isan’ireo marary. Tsy vitan’ny vava anefa izany satria toa efa malama am-bavan’ny maro ny hoe aza mandrimandry manana aretina.....aleo misoroka toa izay mitsabo, fa hindramin’ny AROFANINA kosa eto ny fandaharan’ny Dokotera eto amin’ny RDB hoe: "Andriano ny fahasalamana."

Raha ny fomba fihetsiky ny maro mantsy hatramin’izao dia mbola manohy ilay fihetsika tsy dia mivaky loha izay. Dia mila averina ve ny zava-nisy niainana nandritra ny fiatrehana ny COVID 19 teto Madagasikara? Mety ho mora ny hifanome tsiny sy hitsikera, saingy AROFANINA lehibe ny fifanentanana handray andraikitra. Sanatria tsy hamoa fota-mandry ny AROFANINA, fa miondrika eo amin’ireo aina nafoy tamin’ireny fotoana ireny. Fantaro anefa fa namela ngidy izay mbola mitoetra mandraka ankehitriny iny valan’aretina iny. Samy nahatsiaro ilay hoe fihibohana izay namela faty antoka maro: ny fianarana zara raha vita ary tao mihitsy aza ny taona fotsy......ny asa zary nafoy....ny vidim-piainana sy ny toekarena nitotongana tsy lazaina intsony.

AROFANINA ny fakàna lesona mba tsy hanin-droa ny toe-javatra tahaka izany. Miparitaka miandalana mantsy ny NENDRAN-DRAJAKO ary faritra maromaro no efa ahitàna izany noho ny fivezivezen’ny olona tsy arahina fepetra. Dia tsy mitsaha-mivoatra manaraka izany koa ny MPOX na ny NENDRAN-DRAJAKO ka ilàna hentitra ny mpitondra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Efa zava-dehibe ny fandraisana andraikitry ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny fisorohana sy ny fametrahana ireo fepetra samihafa. Ny tsara vita koa...HOE...mila tohizina ka heverina fa AROFANINA ny fanamafisana ny serasera mba tsy haha tompon-trano mihono ny Malagasy. Tsy ny rehetra mantsy fa isan-jato kely...HOE...no mampiasa ny tambajotran-tserasera Ka AROFANINA ny fanatsarana ny fampitàna ny vaovao sy ny fanentanana ary ny tsara ho fantatra momba ny NENDRAN-DRAJAKO. Tsy vitan’olon-TOKANA tokoa ny taon-trano ka sao lahy mba AROFANINA hahomby ny fakàna fotoana sy ora TOKANA hizaram-baovao? Eo no hahafahan’ny maro...eny fa na tsy ny rehetra aza, mba...miara-mangilan-tsofina hihaino sy miara-mijery ny fivoaran’ny vaovao malaza tato ho ato....dia ny NENDRAN-DRAJAKO.

Ao anatin’ny serasera izay ihany: zava-dehibe koa ny voambolana hampiasaina sy ny fahasahin’ny mpitondra handray fepetra amin’ireo firenena mpifanerasera eto amintsika. Efa mandray fepetra mantsy ireo nosy mifanolo-bodi-rindrina amin’ny fidiran’ny Malagasy hivahiny any aminy, noho ny MPOX. Aza hankinina amin’olom-bitsy na firenena hafa koa ny fahasalamanao fa.....tsarovy fa AROFANINA hisorohana mba tsy hampihanaka sy hahazoana ny tsimokaretina ny fanarahana ireo sakana sy fepetra ara-pahasalamana. Eny mety hanelingelina izany eny amin’ny lalam-pirenena sy ny toerana samihafa eny saingy fantaro fa sarobidy hahafahana miaro ny aina ny fametrahana AROFANINA. Aretina azo sorohana sy tsaboina tsara rahateo ny NENDRAN-DRAJAKO, kanefa tsy tokony hamaivanina.

Isika rehetra tokoa no hiara-hamaritra ny ho ampitso, ka aleo mba samy tsy hanao an-tsirambina ny ho avy na koa sanatria ho entin’ny hambo....fa tanjona ny fisorohana ny atambo. Mbola MANDEHA TSY MISY TONGOTRA mantsy ankehitriny rehefa NIDITRA TSY NOVOHAINA teto Madagasikara ity NENDRAN-DRAJAKO na ny MPOX ity. Tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo tany, tsiahivina, ny tranga voalohany nahazoan’ny olombelona ny MPOX, ny taona 1970. Niparitaka tamin’ny firenena hafa io aretina io nanomboka ny taona 2022, rehefa nanjakazaka tao Afovoany sy Andrefan'i Afrika nandritra ny taona maromaro. Ady iraisana araka izany ny famongorana azy ity eto amintsika, mba tsy hibodo toerana ka hanelingelina indray ity firenena voalaza fa an-dalam-panavaozana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...