Trangam-piarahamonina niteraka alahelo sy fihotanam-po tsy hay notohainy ary fanehoan-kevitra maro samihafa ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo nitranga teto amintsika tao anatin’ny tapa-bolana teo ho eo izao. Ambara fa fanapoizinana niniana natao na famosaviana tsotra izao no nitranga teny amin’ny sampanana Imerikasinana Ambohimalaza, raha toa ka fahapoizinana ara-tsakafo kosa ny tany amin’ny faritra hafa.
Nanao randra-tarihana araka ny fiteny tokoa mantsy ny fisehoan’ity tranga ity tato ho ato. Ny teny Imerikasinina, ny tany Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Ambositra, ary nisy nitranga koa tany Toliara. Fihinana sakafo masaka avokoa no nahatonga izany. Nisy koa ny vaovao tany Ikongo, saingy vokatry ny fihinanana olatra naniry tamin’ny hazo misy poizina indray no nahatonga ny faharariana. Samy namoizina ain’olona avokoa ny tranga teto Antananarivo, ny tany Mahajanga, Ambositra, ary ny tany Toliara. Nisy olon-dehibe, tanora ary ankizy ireo namoy ny ainy tamin’izany. Saingy ny teto Antananarivo sy ny tao Ambositra no niavaka tamin’ny maro. 20 mahery no maty teto Antananarivo vokatry ny fihinana sakafo nandritra ilay fety fitsingerenan’ny daty nahaterahana nanasana olona ampolony teny Imerikasinina ny 14 jona lasa teo. 13 kosa no maty ho an’ny tao Ambositra, mbola fetim-pianakaviana noho ny fahazoan’ny zanak’izy ireo fahasoavana ihany koa ny 22 jona lasa teo. Miisa 3 ny tany Mahajanga ary iray tany Toliara.
Mbola misy 17 kosa ireo manaraka fitsaboana ho an’ny ao amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha raha toa ka 10 izany ho an’ny tranga tany Ambositra, ka ny 8 amin’ireo no manaraka fitsaboana ao Antsirabe raha toa ka ao Ambositra ny roa ambiny, araka ny tarehimarika ny faran’ny herinandro teo. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny antony tena niteraka izao fahafatesana maro izao. Mbola mitohy sy mandeha mantsy ny fanadihadiana samy hafa ahalalana ny tena antony marina hoy isika teo. Misy mihitsy aza ny singa nalefa any ampitan-dranomasina ahalalana ny tena antony nahatonga ny fahafatesana maro.
Ho an’ny teny amin’ny sampanana Imerikasinina, naneho hevitra, andro vitsy taty aorian’ny nitrangan’ny loza, ny Fanjakana, ka nilaza fa fanapoizinana niniana natao na famosaviana no nitranga, rehefa tsy hay tohaina ny fitsaram-bahoaka tany amion’ny tambajotra sosialy. Niaka-tsehatra hatramin’ny Filohan’ny Repoblika tao amin’ny fahitalavi-panjakana nanamafy ny efa voalazan’ireo ministra samihafa. Tsy nahavaly ny fanontaniana manjavozavo mila valiny tao an-dohan’ny Malagasy, indrindra fa ny fianakavian’ny marary sy ny maty anefa izany. Andro vitsy taty aoriana tokoa mantsy nitranga indray ny tsy nampoizina tany Ambositra. Tranga izay mitovitovy amin’ny teto an-drenivohitra ihany ny nahazo an’ireo marary sy maty. Faharerahana anatin’ny fotoana fohy, maso manjavona, tsy fahatsiarovan-tena ary miafara amin’ny fahafatesana. Mbola anatin’ny tombatombana hatreto ny sakafo tena nahatonga ny loza.
Samy manana ny heviny tokoa mantsy ny mpitsabo manoloana ity tranga ity. Olana amin’ny sakafo io hoy ny andaniny. Fanapoizinana tsotra izao kosa io hoy indray ny ankilany. Ny ao amin’ny Fanjakana aza efa nanambara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa tokony atsahatra amin’izay ny filazana samy hafa etsy sy eroa fa izao sy izao no nahatonga ny fahafatesana. Tsy afaky ny nangina noho ny tanindrazana iombonana sy ny fanavotana aina kosa ny mpitsabo tsy miankina sasany ka nanambara fa mety ho ilay atao amin’ny teny ara-pitsaboana hoe “botulisme” no nahatonga izao tranga izao, ary efa nisy teto amintsika ka nahafatesana olona maro koa tany amin’ny taona 80. Ity tranga ity izay vokatry ny fisian’ny bakteria miteraka poizina mahery vaika ka mitarika fahalemena sy fahafatesana noho ny tsy fitandremana ara-pahasalamana amin’ny sakafo na iniana ampidirina ao amin’ilay sakafo mihitsy. Mitovy amin’izany avokoa mantsy ny trangan’aretina tamin’ny toerana nahitana fahafatesana maro hoy izy ireo. Dia iza izany no hinoan-teny, ny fanambaran’ny andaniny sa ny an’ny ankilany?
Lasa lavitra ny fanombanan’ny maro ny antony nahatonga izao fahafatesan’olona maro vokatry ny fihinana sakafo izao. Nahazo tsikera ny hopitaly nitsaboana ny marary na dia niezaka niaro tena mafy aza fa tsy nisy ny fahatapahan’ny herinaratra mandritra ny fotoana ela izany tao aminy. 5 segondra ihany raha ela hoy ny tao amin’ny HJRA dia niverina ny herinaratra noho ny fananana vondrona mpihary herinaratra na groupe vaovao. Maro mantsy ny fianakavian’ny marary sy ireo nanana ny maty no nijoro ho vavolombelona tamin’ny haino vaky jery, fa nisy izany tranga izany. Tsy afa-bela koa teto ny delestazy lava reny ka isan’ny antony ambara fa miteraka ny fivadihan’ny sakafo ka mitarika fahapozinana ara-tsakafo noho ny fivadibadihan’ny maripana fitahirizina amin’ny vata fampangatsiahina. Voatonontonina hatramin’ny orinasa mamokatra sy mitsinjara vokatra iray eto amintsika koa. Niaka-tsehatra tamin’ny haino aman-jery nanazava ny tsy fahamarinan’ny teny novoizina mihitsy ny tompon’andraikitra mpitantana ny orinasa ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’ny tale misahana ny varotra ao amin’ny Minisitera tompon’andraikitra aza nanao izany.
Nentanina ny mpanao gazety tsy hamoaka vaovao afa-tsy ofisialy, kanefa na ny fahazoana ny vaovao sy ny loharanom-baovao aza tany am-piandohana nampananosarotra. Mbola mitohy hatramin’izao. Aiza ho aiza tokoa moa izany izao ny tohin’ireo singa nalefa any ampitan-dranomasina nanaovana fanadihadiana manokana? Hiandry ny valiny ve vao ho hita soritra ny lalana ahafahana tena mitsabo sy mamonjy ny ain’ireo manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, izay nambara teo fa mbola miisa? Ny tompon’andraikitra ihany nefa no niteny fa matoa maro ny vaovao miparitaka etsy sy eroa dia noho ny tsy fahampian’ny vaovao avy amin’ny loharanom-baovao ofisialy, ka samy misarangotra amin’izay vaovao hitany ny olom-pirenena. Lasa filana tsy hay tohaina tokoa mantsy ny vaovao amin’ny tranga toa izao ka tsy dia ifanomezana tsiny loatra ny momba izay. Ny ambara ho tsaho tany am-piandohana koa aza, lasa marina indray taty aoriana, raha tsy hiteny afa-tsy ny ahiahin’ny tany amin’ny tambajotra sosialy fa fanapoizinana niniana natao no nitranga ho an’ny tetsy Imerinkasinina Ambohimalaza.
Mbola tombatombana avokoa aloha ny sakafo nahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ny hany azon’ny tompon’andraikitra natao hatreto, nanala ny sakafo isan’ny ankafizin’ny maro, ahiahiana ho nahatonga izany, teny amin’ny toeram-pivarotana raha tsy hiteny afa-tsy ny tany Toliara isika. Tranga izay miteraka fahasahiranana ho an’ireo mivelona amin’ny fanamboarana ireny sakafo ireny. Na tiana na tsy tiana mantsy hiteraka akony ratsy amin’ny varotra izany.
Mbola ho sarotra ankohatra izay ny hamerina ny fahatokisan’ny maro an’ireo mpikarakara sakafo amin’ny lanonan-dehibe na ry zareo traiteurs izany. Hatramin’ny oviana nefa no aharetan’izany? Niteraka ahiahy tsy hihavanana eo anivon’ny fiaraha-monina ihany koa ity niseho teto amintsika ity. Misy ireo voaasa amin’ny fety isan-karazany no niala tsiny fa tsy afaka hanatrika azy ireo. Nisy ny fianakaviana manana fahasoavana mihitsy no nanafoana ny fanasana efa nataony ialàna amin’ny loza aman’atambo toa izao. Nanao fanambarana koa ny Fiangonana Katolika tao amin’ny diosezin’Ambositra. Nitaky ny hamoahan’ny Fanjakana ny antony marina nahatonga ny fahafatesana olona maro tao Ambositra izy ireo. Olona miisa telo aloha no nahiditra am-ponja vonjy maika ho an’ny tranga teny Imerinkasinina Ambohimalaza. Tsy olona lavitra fa akaiky ny tompom-pety ihany no voarohirohy aloha hatreto. Ny tompom-pety izay nambara fa isan’ireo tsaboina kanefa anehoan’ny olona resaka any amin’ny tambajotra sosialy ihany koa ankehitriny manoloana ny fahanginana sy ny andraikitr’izy ireo amin’izao tranga izao.
Arofanina kosa aloha ankoatra izay ny fitandreman’ny Malagasy tsirairay amin’ny sakafo izay hohanina sy jifaintsika e! Dia ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fahasalamana izany. Tsy hain’ny Arofanina mantsy ny hanao mody tsy mahita ny fomba fikarakarana sakafo sy ny fahadiovana amin’ireny toeram-pisakafoana sasany ireny. Sasany hoy ny Arofanina fa tsy izy rehetra... Aiza re olona ka ny rano efa avy nanasana sy nanakobanana ny lovia aman-tsotron’ny mpanjifa teo aloha ihany no mbola anasana ny lovia sy ny sotron’ny mpanjifa aty aoriana, noho ny fitsitsiana rano izay efa saro-tadiavana angamba, na noho ny fitiavan-kely tsy te hividy rano madio tsotra izao, ka sitrany ahay vaza-mihetsika. Ny ataon’ny mpivaro-mangidy sy kafe mandehadeha eran’ny tanàna aza efa tsy hay lazaina intsony. Ny fisian’ny sakafo masaka amidy tsy misarona manginy fotsiny... Ny mpanara-maso ara-pahasalamana koa tsy hita mivantana mandray ny andraikitra raha tsy efa misy ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo mahazo olona maro tahaka izao. Tsy ananam-piry tokoa ny ainy re olona ka aoka mba samy hitandro izany araka izay azo atao isika rehetra. Na ny Arofanina aza mitady ho fanina amin’ny tranga misy ankehitriny; fahapoizina sa fanapoizinana ara-tsakafo ity eto amintsika ity? Saro-tadiavina tokoa ny marina. Mitady hivadika ho maizina indray mantsy ny zava-misy noho ny fihitaran’ny toerana misy ny tranga... Dia samia mitandrina re olona fa tsy hita mivantana amin’ny tarehin-kanina ny poizina mety ho entiny ary mbola mirenireny tsy tazana fa ahiana mbola handripaka ny namana sy ny havana raha tsy misy ny fandraisana andraikitry ny rehetra manoloana ny zava-misy. Ramalina tokoa mantsy hono no nifehy hazo tokana, ary rehefa ho tonga koa ny loza, ny patsa iray aza tsy omby vava, araka ny oha-pitenena malagasy izay.
Mankahery sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo rehetra niharan’izao voina izao ny ekipan’ny Arofanina sy ny RDB rehetra.