Tsy azo ihodovirana intsony ankehitriny ny fampiasana ny tambazotran-tserasera eo amin’ny fampitam-baovao haingana hoan’ny vahoaka, manoloana ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny teknolojia misy amin’izao fotoana izao. Misy ny vokatsoa azo avy amin’izy io. Fampitam-baovao tena mahomby hoan’ny fiarahamonina tokoa, mahatonga ny fifanampiana rehefa misy ohatra ny fahaverezan’ny ankizy iray, ny fanampiana amin’ny resaka fahasalamana sy ny fahasahiranana, ny fizarana ny zavatra mahasoa sy ny sisa. Mbola mila ezaka goavana nefa ny fifehezana ny fampiasana ny tambazotra sosialy eto amintsika.

Mety hiteraka zava-doza koa anefa ny fampiasana azy io. Zara lasa fitaovam-piadiana haingam-piasa hanimbana olona, na firenena mihitsy aza ny tabazotran-tserasera, tsy eto amintsika ihany fa saika maneran-tany mihitsy. Raha nosokajiana ho 6 isan-jato tany aloha ny mpikirakira facebook teto Madagasikara dia mahavita manimba sy mamotika ary manaparitaka lainga sy tsaho izay hinoan’ny olona sy ataon’ny sasany ho fitaratra izany ankehitriny.

Tsy voafehy ny fampiasana azy fa izay rehetra manana finday afaka hakana sary sy hanaovana horonantsary dia efa maka sy manaparitaka ireo karazam-baovao hita eny anivon’ny fiaraha-monina, lasibatra amin’izany ireo olona manana toerana ambony sy malaza. Vaovao tsy misy famakafakana sy fanamarinana fa avy hatrany dia havoaka sy haparitaka ahazoana ilay “j’aime” sy ny akony maro. Mitady voninahitra sy laza.

Lasa fanapotehana ny fanabeazana koa ny fampiasana ny tambazotra sosialy ankehitriny. Raha tsy hilaza ny tranga nisy tany aloha ary mbola nisy namerina tamin’ny fanadinana BEPC farany teo, dia ny famoahana ny laza adina anatin’izy ireny ka hisarihana ny olona hividy azy. Zava-doza no aterak’izany hoan’ny hoavin’ny taranaka faramandimby.

Toa izany koa ny ompa sy ny teny ratsy atao ho fanehoan-kevitra anatin’izy ireny. Dia lasa ny heritreritra hoe: ho taranaka toa inona moa no voavolavola avy amin’izany atsy aoriana atsy.

Efa ataon’ny mpanao politika fitaovana hambaboana ny fon’ny olona ny tambazotran-tserasera ankehitriny. Lasa ataon’ny fitondrana fakana hevitra sy hanaovana ny politikam-pitondrana ny fanehoan-kevitra mivoaka anatin’izy ireny. Zary lasa miankiana amin’ny tambazotran-tserasera no hitondrana ny firenena, ny sampan-draharaham-panjakàna samihafa. Hany ka lasa fomba fanao ny tsy miantso mpanao gazety intsony fa mampiasa ny tambazotran-tserasera hampitàna vaovao.

Voafetra ho amin’izay serasera tian’izy ireo atao sisa no atao ka anjaran’ny mpanao gazety no misafidy na hamoaka izany na tsia, eny fa na dia anaty tranga tena mavaivay eto amin’ny firenena aza.
Tsy vitsy amin’ny sampan-draharaham-panjakàna sasany no mampiasa ireny atao hoe “compte fake” ireny mba hanindrahindrana ny asan’ny lehiben’izy ireo, na hiarovana azy ireo koa rehefa misy lesoka sy tandrevaka. Firifiry amin’ny ministera no tsy mionona fotsiny amin’ny fampitàna sy fizarana ny zava-bitany na hetsika ataon’ny ministra iray. Tsy ampihanatra ny aro fanina fa tsy mitovy velively ny serasera sy ny filazam-baovao. Iza amin’ireo mpanao politika ohatra no tsy mamitaka ankolaka, amin’ny fanakonana ny tena hevitry ny hafa, amin’ny alalan’ny fanaratsiana miainga amin’ny fampiasana kaonty fako?

Fa mitady haka, mba tsy hilazana fa efa maka, ny toeran’ny asa fanaovan-gazety ny tambazotran-tserasera, ka izay no manahirana azy io ankehitriny. Tsy afa-misaraka amin’ny asa fanaovan-gazety anefa ny fikirakirana sy ny fampiasana ny tambazotran-tserasera. Mila fahaizana ny fifehezana sy ny fampiasana izany mba tsy hanimba izay asa fanaovan-gazety izay.

Natao hanampy amin’ny fikaroham-baovao fa tsy natao hianteherana amin’ny fanangonam-baovao ny tambazotran-tserasera. Tsy voatery ho marina avokoa mantsy izay ranty misy manaparitaka fa mila mailo mba tsy hilazana vaovao lainga sy tsy marim-pototra amin’ny mpanjifa vaovao.

Ilaina hatrany ny fanamarinana ny vavao mialohan’ny hanomezana izany hoan’ny mpanjifa. Mihevi-tena ho mpanao gazety avokoa mantsy izay afaka mandefa tranga, kanefa misy ny lalàna mifehy io asa io izay mety hiafara amin’ny fandoavana onitra sy fampidirana am-ponja. Mihevitra manko ireny olon-tsotra manaparitaka sary sy heverina ho vaovao amin’ny tambazotran-tserasera ireny fa maharaka tsara ary tsy mihevitra akory ny mety ho vokatry ny fanaparitahana izany amin’ny fiainam-piaraha-monina .

Lasa manimba ny asa fanaovan-gazety koa ny fianteherana be fahatany amin’ny vaovao avokan’ny tambazotra sosialy kanefa tsy misy famakafakana sy fanamarinana avy amin’ny mpampahalala vaovao mampiasa azy. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa anefa ny fampiasana ny tambazotran-tserasera izay isan’ny tombony amin’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny fifandraisana ankehitriny. Tsy hahasolo velively ny asa fanoavan-gazety anefa ny tambazotran-tserasera. Saingy ny mpandray ny ranty samihafa amin’ny Facebook no manafangaro izany. Vao mainka mihasarotra koa izany ankehitriny manoloana ny firoboroboan’ny saina voatr’olombelona na ny IA (Intélligence Artificielle)

Mazava ny fomba fiasa sy ny dingana ataon’ny mpanao gazety mialoha ny famoaham-baovao ary tena mifanohitra amin’ny fitaterana sy fitadiavana “j’aime” izay fomba fiasan’ny mpampiasa tambazotran-tsossialy.
Nampisahotaka ny mpanao gazety koa tato ho ato ny momba ny loharanom-baovao. Fa oviana tokoa moa no mba nalalaka ny fikaroham-baovao teto amintsika e? Rehefa misy ny vaovao tian’ny mpitondra nifandimby, hatramin’izay ka hatramin’izao teto amin’ny firenena ampitaina, dia antsoina sy omena lanja ny mpanao gazety. Antony iray mahatonga ny tsaho sy fifanaratsiana amin’ny tambazotran-tsosialy anefa ny fikatonan’ny loharanom-baovao.
Manampy ny asa fanaovan-gazety ny tambazotra sosialy eto Madagaikara. Vaovao tsy mbola hitan’ny mpanao gazety fa efa mivoaka amin’ny Facebook. Hany ka toa lasa mpanao gazety daholo izay manana finday avo lenta ahafahana manao “connexion”. Mila fitandremana betsaka anefa ny fandraisana izay vaovao rehetra mivoaka amin’ny tambazotra ara-tsosialy. Aleo lazaina fa tsy matihanina ireny famoaham-baovao ireny, tsy azo itokisana 100 isanjato ary tsy voatery ho marina izay avoakany ao.

Heverina ho lasa fahefana faha 5 ny tambazotran-tserasera raha heverina ho faha 4 ny asa fanaovan-gazety. Tsikaritra ohatra raha ny raharaha Ambohimalaza manokana izay lasa raharaham-pirenena tato ato fa mahery vaika ny vavam-bahoka anaty tambazotra sosialy ary tena nohenoin’ny mpitondra. Lasa manam-pahefana koa ankehitriny ny vavam-bahoaka a. Tsy ireo mpampiasa tambazotra sosialy velively no andrasana hanarina izany lesoka izany fa ny mpisehatra amin’ny asa fanaovan-gazety.

Efa dingana lehibe ny fananan’ny haino vaky jery pejy manokana amin’ny tambazotra sosialy hanehoana, hampitàna sy hitaterana ny tena vaovao misy sy azo antoka.
Raha aravona ny voalaza teo dia toy ny sabatra roa lela ny tambazotra sosialy na ny tabazotran-tserasera. Sady mamelona sy manampy izy io, kanefa mety hanimba sy hamono ihany koa, ka ilàna aro fanina.

Tsy ampy fanabeazana sy fampianarana ny fikirakirana ny tambazotran-tserasera eto Madagasikara. Mila fifampitaizana izany rehetra izany. Fitaizana, aorian’ny fanentanana, ny fampiharana ny fitsipika. Misy ny lalàna mifehy azy io izay mety hiafara amin’ny fandoavana onitra sy fampidirana am-ponja. Raha ny tsikaritra nefa dia toa misy mozana tsindrian’ila ihany indraindray ny fampiharana izay fitsipika izay, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra voakasik’izany. Misy ireo tranga tena haingana ny fandraisain’andrakitra amin’ny fampiharana ny lalàna momba ny famoahana vaovao tsy marina na fanaratsiana mivoaka amin’izy ireny, kanefa misy kosa ireo mahatsiaro ho zanak’i Ikalahafa ihany rehefa mametraka fitoriana noho ny famoahana vaovao tsy marina na ny fanosoram-potaka momba azy.

Natao hoan’ny rehatra anefa ny lalàna ary ambara ombieny ombieny fa tsy misy tokony ho ambon’ny lalàna, kanefa toa tsy izay no misy. Mila mandray andraikitra avokoa isika rehetra mba ho tena tambazotra sosialy mamelona, manampy ary mampandroso ny firenena ny misy eto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...