Rafi-pitsarana natao hitsarana ireo olona ambony nanao ny tsy mety teto amin’ny firenena ny Fitsarana Avo na ny Haute Cours de Justice (HCJ). Hatreto aloha dia mbola tena nampirimina any am-bata izy io. Notakiana sy notadiavin'ireo hery ivelan'ny fitondrana nifandimby fatratra anefa izany mba hitsikerana izay mpitondra am-perinasa, tany am-piandohana.

Ny tsy hita tokoa angaha no tadiavina fa efa hananika ny 8 taona izao no nivoaka ny didim-panjakana namaritra ny fametrahana ny Fitsarana Avo na HCJ. Samy hafa anefa ny fomba fijery satria raha samy niandrandra vokatra tsara eo amin'ny fitovian-jo amin'ny fitsarana ny olom-pirenena tsotra, dia tsy nanana fanahiana fa zary lasa tamboho miaro an'ireo olo-maventy kosa ny HCJ. Raha faritana fohy ny hoe HCJ dia rafi-pitsarana iray natao hitsarana ireo mpitondra teo aloha nanao heloka na nandika lalàna tamin'ny fotoam-piasany. Ao anatin'ireny ny Filohan'ny Repoblika, ny Praiministra teo aloha, ary ireo mpikamban’ny governemanta sy ireo filohan'andrimpanjakana. Toa malaza tsy hihinanana anefa ity HCJ ity. Ary mety hiara-mametra-panontaniana amin'ny Arofanina aza ianao mpihaino hoe: efa nisy niakatra fitsarana ve izy ireny? Efa nisy niharan'ny sazy ve? Sadasada manan-tsoratra ny valiny satria... nisy tokoa ireo tompon'andraikitra ambony teo aloha nenjehina saingy mikatso eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny raharaha.

Eny amin'ity andrimpanjakana ity mantsy ilay vatobe misakana sy rindrina manakona ny ho tohin'ny raharaha. Misy ny vaomiera eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, izay mpandinika ny antontan-taratasy fiampangana ireo olom-panjakana ambony. Fidina sy feno hatrany ireo mpikambana ao amin'io vaomiera io, saingy mivangabao rehefa hifidy hamaritra ny ho avin'ireo tompon'andraikitra ambony mandika lalàna, ka tsy tratra ny fetr'isa tadiaviana. Dia mijanona eo foana ny raharaha na tamin'ny fitondrana tany aloha na ny ankehitriny. Ankoatra ny mety ho endrika kitranoantrano sy kolikoly, dia mbola Arofanina lehibe ho an'ireo tompon’andraikitra teo aloha henjehina koa ny fiombonan'ny maro an’isa eny Tsimbazaza. Efa nisy ohatra ny minisitra nanana olana tamin'ny “ecran plat”, teo koa ny minisitra nanao sonia nivarotra tanim-panjakana, ny ministra “bombons sucettes”, teo koa ny tamin’ny volamena nivadika ho bolongam-by, ary vao haingana teo ny mahakasika ireo fiaramanidina Boeing 777. Fa indrindra moa ireo nikasa ny hamadika tanindrazana ankolaka na mivantana saingy indrisy.

Tsy hanameloka alohan'ny HCJ ny AROFANINA fa aleo tsorina tokoa satria ny mandainga sarotra. Ny HCJ no tena aro fanina lehibe ho an'ireo mpitondra ambony satria dia... nialokaloka ao ambanin'io Fitsarana Avo io ireo mpitondra ambony ka migalabona amin'ny fandikan-dalàna. Na tratra aza tsy voakitika, na kitihana aza tsy taitra, fa mandeha ny mandeha. Alahelo tsy ambara amin-kavana hono zakan'ny tompony ihany ka firifify anefa ireo nangalatra akoho (sanatria tsy manambany)... fa firifiry koa ireo olon-tsotra hiharan'ny erikendrika kanefa mizaka ny tsy eran'ny aina... voafonja noho ny heloka tsy natao! Ny mifanohittra amin'izany no iainan'ireo mpitondra ambony manararao-pahefana mandika lalàna izay mbola miriaria tsy manana ahiahy.

Tsy vao ankehitriny izao anefa no nisian’izany toe-javatra izany, fa na tamin’ireo mpitondra nifandimby hatramin’izay koa dia samy nanana ny fanaony avy. Dia ho gaga ve isika valalabemandry raha indreo ny mpitondra ambony na tompon’andraikitra ambony teo aloha nesorina noho ny fandikan-dalàna no indro indray mbola nahazo toerana hafa eto amin'ny firenena afaka fotoana fohy? Ny hafa indray, mahita lalam-poza mialokaloka any ivelany manao tazan-davitra ny aro fanina voadingana ka miaina tsy misy arakaraka. Fomba fanaon'ireo mpitondra nifandimby, hoy isika, ny fiononana amin'ny fanesorana minisitra izay mahabe resaka, saingy mamoehatra manimba firenena. Dia iza no hanome tsiny, ireo vahoaka madinika hiharan-tsazy raha tsy hahatoky intsony ny endri-pitsarana misy? Ny avo ihany mantsy no tovonana ary takonana... fa ny lehibe na inona inona ataony dia... milamina tsy mihinana gagazo fa efa mandry ivohon’ny vaton’ny Fitsarana Avo.

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...