Hiompana manokana amin’ny fanatanjahantena indray ny Arofanina amin’izao alatsinainy voalohan’ny volana septambra izao. Mazava hoa azy, ny baolina kitra! Mendrika ny vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara nandritra iny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mila ravinahitra any ivelany iny, na ny CHAN 2024. Tafita tany amin’ny dingan’ny lalao famaranana ny Malagasy.

Tranga tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tena. Laharana faharoa no nisy ny Barea rehefa resin’i Maroc, andrarezin’ny baolina kitra aty Afrika, in-telo nahazo ny CHAN, taorian’ny fandresena azony ny sabotsy teo.

In-18 nanao CAN ny marôkana ary mpandray anjara amin’ny fiadiana ny ambora eran-tany amin’ny baolina kitra na ny “Mondial”. Efa niatrika ny dingan’ny manasa-dalana ary laharana fahefatra tamin’ny Mondial 2022 farany teo. Laharana faha-12 eran-tany, ary izay no ilazantsika fa ny andrarezin’ny baolina kitra aty Afrika no nifandona tamintsika Malagasy. Manginy fotsiny ny foto-drafitr’asa maro maoderina ao aminy noho ny tanjaka ara-toekarena ananany.

Tsy nikoso-maso tamin’izany rehetra izany anefa ny Malagasy fa niezaka nampiseho ny fahaizany ihany koa. Tsy nitsanga-menatra ny Barea, fa elanelan’isa iray no nandavoany antsika dia 3 no ho 2. Mendrika ny ekipa notarihan’i Rakotondrabe Romuald na i Maître Rôrô. Miarahaba azy ireo ny Arofanina. Tsy tongatonga ho azy ny maha laharana faharoa ny Barea toy izao, fa nisy ady natao tao, nisy fikirizana, firaisankina, fahamatorana ihany koa, na ho an’ny mpilalao na ho an’ny mpanazatra sy ny mpiara-miasa aminy... Izany rahateo ny hoe: “Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika”!

Barea, ilay ekipam-pirenena hany tokana mbola nampiray ny malagasy, na inona na inona firehan-keviny, finoany, fombany, ny volon-kodiny, ny faritra misy azy, na ny teto an-toerana na ny tany am-pitan-dranomasina. Hany tokana mahavita ny fampihavanam-pirenena, nimatimatesan’ny fikambanana sy antoko politika maro hatramin’izay ka hatramin’izao aloha hatreto, ny fahombiazana azon’ny Barea. Miray fo sy saina ny Malagasy rehefa misy ny vokatra tsara azon’ny Barea nanomboka tamin’ny taona 2019. Ireharehan’ny Malagasy loatra ny mahita amin’ny alalan’ny fahitalavitra ny teratany mitovy aminy mahazo laka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Barea, anarana nahazo laka indray, andro maromaro izay, taorian’ny taona 2019. Inoana fa hotadidin’ny maro fa tsy ho sanatria akory ho afon-jozoro izy ity, midedaka am-boalohany ihany fa tsy maharitra.

Tsapa fa tena liana fialam-boly ny Malagasy, mba miala amin’ny rotorotom-pianana misy ankehitriny. Soa ihany fa teo ny Barea mba nanala hamohamo ny maro, namoha indray ilay firaisan-kina nanan’ny Malagasy tany aloha tany. Mendrika azy ireo ny fitsenana makotroka ataon’ny mpankafy ary tokony ambony lavitra noho izany aza ny valim-pitia atao azy ireo fa tena niady mafy zalahy e, hoy ny fanehoan-kevitry ny maro. Ny hany mampalahelo anefa amin’ny tranga toa izao, toa sakaizan’ny mpandresy hatrany ny Malagasy indraindray. Rehefa ratsy ny vokatra azo dia vava ratsy tahaka izany koa no omena ny mpanazatra sy ny mpilalao. Firy moa ireo mba nankahery ny Barea tamin’izy nandalo fotoan-tsarotra tamin’ny lalao voalohany natrehany tao amin’ny Vondrona B nisy azy ka nahazoan’i Dax karatra mena, ka naha-ady sahala aotra noho aotra ny isa tamin’i Mauritanie? Mba nisy nanohana azy ireo ve tamin’ny fotoana nandresen’i Tanzanie azy tamin’ny isa 2 no ho iray tamin’ny lalao faharoa? Rehefa nandresy an’i Centre Afrique 2 noho aotra vao mba nisy nihoraka tamin’ny baolina matin’ny Malagasy tany an-tokatrano. Toa izany koa ny fandresena azo tamin’ny fihaonana tamin’i Burkina Faso tamin’ny isa roa no ho iray. Tany amin’ny lalao ampahefa-dalana naharesentsika an’i Kenya mpampiantrano no nanomboka nivoaka an-dalambe nihoby Ramalagasy. Vao mainka tsy hay tohaina ny hafalian’ny Malagasy sy ny fihetseham-pony, rehefa nandresy an’i Soudan teo amin’ny lalao manasa-dalana ka niakarana tamin’iny lalao famaranana iny ny Barea.

Rehefa anaty fifaninana tsotra, vitsy, mba tsy hilazana fa tsy misy, ireo mpanohana na ara-bola, na ara-pitaovana, na ara-torohevitra, fa rehefa amin’ny fifaninana iraisam-pirenena kosa ka mahazo vokatra tsara ny atleta vao ihazakazahana ny fanampiana omena azy. Hita taratra amin’ny toe-java-misy eto amintsika izany. Tsy mahagaga raha lasa mila ravinahitra any ivelany ny ankamaroan’ny Malagasy nahazo vokatra tsara amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena. Any mantsy, tsara ny antom-pivelomana ary tena mahavelona ny fanaovana fanatanjahantena. Ny eto amintsika mantsy rehefa mahazo vokatra tsara vao mody hoe lehilahy mahery, anay iny, voninahi-pirenena no narovany…

Mbola ilàna ezaka goavana ny fanovana ny foto-pisainana sakaizan’ny mpandresy tahaka izany na ho an’ny mpitondra na ho an’ny mpakafy. Tsy azoazo foana anefa ny vokatra azon’ny Barea izao. Nandalo lalan-tsarotra vao tonga tamin’iny dingana iny ny mpilalao tsirairay avy. Toa izany koa ny ekipa iray manontolo. Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika hoy isika. Ezaka toa odian-tsy hita fa avoitran’ny Arofanina eto kosa. Arofanina, tsy ahasolafaka eny ampandehanana: ny filofosana, ny fikirizana, ny fitiavana, ny fahaizana miatrika ny toe-java-misy, na tsara izany na ratsy. Tokony ho lesona horaisintsika Malagasy eo amin’ny fiainana ireo rehetra ireo, mba hivoahana amin’izao lalan-tsarotra diavin’ny firenentsika izao. Mbola tsy very mantsy ilay sotoavina firaisan-kina teo amin’ny samy Malagasy tany aloha tany, manoloana iny toe-javatra niainantsika tao anatin’ny andro maromaro iny. Io ilay Fihavanana Malagasy. Mifanohana na amin’ny an-kasoavana na amin’ny an-karatsiana. Tokony hivelatra amin’ny sehatra hafa nefa izany fa tsy ny baolina kitra ihany, indrindra ny hampandrosoana miaraka ity firenena ity, ka tsy hanaiky hozarazarain’ny resaka politika isika rehetra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...