Tsapa tato anatin’ny iray volana teo ho eo izay, fa nihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby lavareny na delestazy tao an-drenivohitra sy ny manodidina. Tapaka hatramin’ny ora maromaro mihitsy, ary miverina indroa na intelo izany ao anatin’ny andro iray.
Ny ora handehanan’ny jiro indray no kely, noho ny fahatapahany. Ary efa nampiomana sahady ny sain’ny mpanjifa aza ny orinasa Jirama, andro maromaro lasa izay, fa hihamafy hatrany ny délestage amin’izao main-tany izao, fotoana hidirantsika amin’ny lohataona, satria mihena ny haavon’ny rano any amin’ireo toby famokarana herinaratra: toy ny any Mandraka sy Andekaleka, ka tsy afaka manodina araka ny tokony ho izy ny milina mpamokatra herinaratra. Mihena araka izany ny herinaratra vokarina, ka tsy maintsy ahena ny fandaniana. Dia ahiana hitombo indray izany ny faharetan’ny fahatapahan-jiro. Very hevitra ny mpanjifa... dia haninona anefa fa mamaky ny fanazavana amin'ny anton’ny fahatapahan-jiro omen'ny Jirama amin'ny pejy Facebook-ny fotsiny e. Olan'ny rano, solika, teknika... fa hevero ho toy ny tsy tapaka, hoy ny Jirama izay taloha, fa ankehitriny kosa… tena tapaka fa hanahirana raha ampiana hoe: didy maso asiam-panafody fa tena efa ela kosa koa.
Tsy vao izao anefa ny delestazy fa toy ny tsiny izy io. Efa nentin'ny mpitondra nifandimby ny olana ka ahiana hitoetra sy hifanilihana eo aloha. Ny vahaolana kely azo no andrandrain'... ireo mpitondra. Manimba ny toe-karena sy ny fiharian’ny Malagasy ny fahatapahan-jiro lava reny. Na ho an’ireo orinasa vaventy izay mpanodina vokatra ilain’ny mponina andavan’andro izany, izay miteraka fampihenana ny mpiasa, na miteraka fampiakarana ny vidin’ny entana vokarin’ireny orinasa ireny. Fa tena miantraika mivantana amin’ny orinasa madinika na ireo mpiasa tena indrindra ihany koa ny vokatry ny delestazy. Faty antoka, fihenan’ny mpanjifa, fahasimban’ny vokatra, ny sasany voatery mividy groupe électrogène izay vao mainka mampitombo ny masonkarena. Ary ny fahatapahan-jiro lava reny no mahatonga fahasimban’ireny vokatra samihafa ireny, izay miteraka aretina fahapozinana ara-tsakafo.
Hatraiza àry ny tena vahaolana amin’ity fahatapahan-jiro lavareny ity? Toa mbola lavitry ny afo ny kitay, raha ny zavamisy ankehitriny no dinihina. Marina, tsy mitsahatra mikaro-kevitra hamahana izany ny fitondram-panjakana, ny Minisitry ny Angovo aza vao niteny tamin’iny herinandro lasa iny fa, fanamby ny hisitrahan’ny 80 isanjaton’ny Malagasy herinaratra, ka ankoatra ny herinaratry ny Jirama dia hoe herinaratra avy amin’ny angovo azo avaozina amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro no ampiasaina. Efa misy ny tetik’asa fananganana Parc solaire amin’ny distrika maromaro, voalazan’ny fitondram-panjakana fa distrika 40 no hametrahana izany, tsy fantatra mazava ankehitriny hoe aiza hoa aiza ny dingana efa vita amin’izany, rahoviana izy ireny vao amperin’asa afaka hamaha tanteraka ny olan’ny famatsiana jiro?
Dia mampanantena fiafaran'ny delestazy foana tokoa ny tompon'andraikitra, mba hampionona ny sain'ny mpanjifa tsy ho kivy. Nilaza ohatra ny Filoham-pirenena raha nivahiny tao amin'ny TVM ny volana novambra 2024 fa tsy hisy intsony ny delestazy amin'ny taona ho avy, izany hoe amin'ny volana novambra 2025, noho ireo vahaolana samihafa noraisina. Tsy ho foana anefa io afaka roa volana raha ny zava-misy amin'izao. Toa vao mainka hihamafy aza. Nilaza indray anefa ny Jirama andro vitsy izay fa amin'ny faraparan'ny taona 2026 vao hivaha ny delestazy. Ekena fa ny manao zavatra tsy mora ary ny manao mora tsy zavatra. Fa efa be izay fampanantenana momba ny famatsiana herinaratra izay. Nanomboka tamin'ny Filoha Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa “telo volana ihany” dia voavaha io. De mitohy amin'izao fitondrana Andry Rajoelina izao. Ary toa lasa mifanohitra aza ny fampanantenan'ny Jirama sy ny Filoham-pirenena. Amin'ity taona ity ve sa amin'ny taona ho avy, sa mbola amin'ny taona tsy fantatra?
Ankoatra izay, vao tsy ela akory izay ny fitondram-panjakana no nilaza fa ampiakarina aty andrenivohitra ireo milina goavana efa tonga ela tao amin’ny seran-tsambon’i Toamasina, hanampiana ny famokarana herinaratra. Nanome fe-potoana telo volana mihitsy ny fitondram-panjakana hanatanterahana izany. Lasa ihany ny eritreritry ny Arofanina amin’izany zavamisy rehetra izany hoe dia sanatria ve ho famonoana afo hampitoniana ny vahoaka efa miakatr’afo na koa ho lasa telo volana mandavan-taona manapitra ny fe-potoam-pitondrana ity fikaroham-bahaolanan’ny famatsiana jiro sy rano eto amintsika ity? Lasa ihany ny eritreritry ny Arofanina hoe zary lasa kolotsain’ny rahampitso lava sisa no iainan-dRamalagasy. Etsy an-daniny, ny tetik’asa Volobe sy Sahofika, tamin’ny fitondrana teo aloha, izay tetik’asa goavana hananganana toha-drano lehibe hamatsiana herinaratra ho an’Antananarivo sy Toamasina izay efa voasonia ny fifanarahana fa tsy fantatra hoe aiza ho aiza isika ankehitriny. Toa mbola ho an-taonany maromaro vao afaka hisitraka izany ny vahoaka Malagasy. Ahiana ho maty momoka mihitsy aza ity tetikasa ity, satria tsy notohizan’ny fitondrana ankehitriny intsony, fa naverina hatrany am-boalohany indray taona maro taty aoriana.
Toy ny valala voatango ny vahoaka Malagasy ankehitriny, tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka. Maro no efa tsy mitaraina intsony fa Rafotsy be very laona e, miandry izay higadonany. Malagasy tapaka herinaratra e, miandry izay hiverenany. “Dia leo ho azy” eo izay mbola mitaraina amin'ny delestazy.