---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.
Andrasana ny hevitry ny Sadec sy ny Comesa, ary ny Vondrona Eropeana sy ireo firenen-dehibe samihafa toa an’i Frantsa sy Etazonia... Hampihato ny fanampiana ara-bola sy ireo tetikasa samihafa eto amintsika ve izy ireo ? Raha ny zava-nisy teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena ny Zoma teo teny Ambohidahy, nandritra ny fotoam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Mickael RANDRIANIRINA, dia azo lazaina fa mety ho fankatoavana izao fanjakana mijoro izao ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny maro miasa sy monina eto amintsika teny. Misy amin’ireo mpandinika politika koa no milaza fa toy ny tranga ny taona 2002 no misy eto amintsika ankehitriny. Toa miova hevitra tsikelikely ny Fianakaviambe iraisam-pirenena na dia manameloka ny fanovam-pitondrana izay heveriny ho tsy manaraka ny Lalampanorenana aza. Maro no mihevitra fa porofo mankany amin’ny fankatoavana an’izao fitondrana izao ny nanatrehan’ireo masoivoho vahiny maro iny lanonam-pitsarana nandraisana ny fihanianan’ny Filoham-panjakana iny. Tahaka izany mantsy no nitranga rehefa niroso tamin’ny fihanianana faharoa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny. Nanatrika ny lanonana ireo masoivoho vahiny ary nanomboka teo ny fankatovana iraisam-pirenena.
Tetsy ankilan’izay, nahazo tsipaka am-bavafo ny sehatra iraisam-pirenena. Zatra nandrahona sy nanao lalan-dririnina amin’ny zava-misy eto Madagasikara ny fanehoan-kevitra isan-karazany. Nanao be fiavy mantsy ireo fanambarana miendrika fanamelohana sy fanasaziana raha vantany vao niseho ireny toe-draharaha teto amintsika ireny. Tsy nahitana teny mihitsy anefa izy ireo nanoloana ny fahantrana lalina sy ny fijalian’ny vahoaka malagasy nandritra ny fotoana maro. Toa tsy nampaninona ny sehatra iraisam-pirenena sa nodiany tsy hita ny fanasokajiana an’i Madagasikara ho firenena isan’ny mahantra indrindra eto amin’izao tontolo izao ? Raha ny harena ananan’i Madagasikara, na ambany tany na ambony tany na an-dranomasina anefa dia tsy azo lazaina fa mahantra isika Malagasy fa ny marimarina kokoa dia nampahantraina ary manana andraikitra amin’izany ny sehatra iraisam-pirenena.
Vara-datsaka hoan’ny Vondrona iraisam-pirena ny lahateny nataon’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana izay nanitsy ny fomba fiasan’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy nisalasala nandiso ny filazana fa fandikan -dalàna, izany hoe fivoahana tamin’ny lalampanorenana mantsy, ny HCC. Arofanina lehibe hoan’ izao fitondrana izao ihany koa anefa ireny lahateny ireny, mba hitandremany toy ny anakandriamaso ny Lalam-panorenana. Isan’ny hikiakan’ny tanora GEN Z teny an-dalambe ny hoe fanovan-drafitra. Midika ve izany fa hanova ireo rafitra rehetra napetraky ny mpanjanaka? Ary tsy hiankin-doha amin’ny vahiny, fa hamadika ireo otrikarena maro ananan’i Madagasikara ho tena fampandrosoana ny firenena malagasy ?
Etsy an-kilan’izany, toa mbola mahatoky tena anefa ireo mpanohana ny fitondrana teo aloha, ka nitsikera ny dingana nataon’ireo miaramila nijoro nanohana ireo mpanao fitakiana teny an-dalambe. Foto-kevitry ny fitondrana teo aloha tamin’ny vanim-potoana’ny fampielezan-kevitra tamin’ny taona 2018 ny hoe tsy handroso mihitsy i Madagasikara na any amin’ny 2030, 2040, 2050 raha mbola miankina amin’ny mpamatsy vola vahiny. Dia nanantena fiovana goavana tokoa ny rehetra tamin’izany. Saingy indrisy, zendana ny olompirenena fa nanatanteraka izay fepetra rehetra notakian’ny mpamatsy vola iraisam-pirena, toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, ny mpitondra teo aloha nahazoana ny famatsiam-bola mahazatra. Nialoha ny niafaran’ny fitantanana ny firenena aza, dia mbola nanambara ny Filoha teo aloha, fa ho tapaka ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, raha mitohy ny krizy politika.
Na teo aza ny fanambaran’ny Vondrona Afrikana ny nanesorany an’i Madagasikara tsy ho mpikambana ao intsony, dia toa tsy nampiraika ny olompirenena ny fanalana antsika amin’izany Vondrona izany. Valy bontana no nasetrin’ireo olompirenena an’izany ka nilazany hoe : fa nitondra inona teto amintsika moa ireny rafitra ireny tao anatin’ny taona maro naha mpikambana antsika tamin’izany Vondrona izany ? 65 taona nahazoana ny fahaleovantena isika, nefa ny asa aman-draharaha sy ny tetik’asa lehibe rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena dia saika miankina amin’ny any ivelany avokoa.
Manoloana izany rehetra izany, hijoro hatramin'ny farany hanandratra ny maha izy azy ve nefa ny mpitondra sy ny andrimpanjakana misy sa ho afo mololo ihany ka hiredareda am-boalohany fotsiny? Azo antoka koa ve fa hanova fomba fiasa ireo sampan-draharaham-panjaka misy, raha tsy hilaza afa tsy ny rafi-pitsarana, ka tena ho fialokalofan'ny marefo sy madinika izay manana ny marina? Fotoana izao hijoroana sy hampanjakana ny firaisankina sy fanavotam-pirenena, araka ny tarigetra napetraka hitantanana ny firenenana amin’izao fiovam-pitondrana vaovao izao. Vao manomboka koa ny lalao. Ka heverina fa tsy ny mpitondra na ny mpitantana ihany no mila miova. Ny fanovan’ny tsirairay toetsaina ho amain’ny tsara sy ny fanovana famindra amin'ny toerana sy ny sehatra misy antsika, dia efa dingana ho an’ny fiaraha-mientana. Aoka anefa tsy hifampiandry na hiandrandra mana, fa samia manao ho AROFANINA satria ny fiovana tsy iza.... fa isika.