Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...

Inona tokoa moa ny zava- misy eto amintsika raha ny VIH SIDA no resahana. Tamin’ny taona 1987 no nahitana olona voalohany nitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA teto Madagasikara. Fahafatesana avy hatrany no nandikàna izany tany aloha tany raha vao mitondra ny tsimok’aretina ny olona iray. Nihanaka tsikelikely teto amintsika ny tsimok’aretina avy eo. Telo taona taty aoriana, nahatratra 0,05 isan-jato ny tahan’ny malagasy mitondra ny VIH SIDA. Nihazakazaka hatrany ny fitombon’ny olona nitondra ity tsimok’aretina ity raha vao nanomboka ny taona arivo fahatelo. Avo dimy eny ny tahan’ny olona nitondra ny tsimok’aretina teo anelanelan’ny taona 2001 sy 2003.

Mampanahy noho izany ny toe-java-misy satria tsy mitsaha-mitombo ny olona mitondra ny tsimok’aretina tao anatin’ny 15 taona.
Nahatratra 0,20 isanjato ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina hoan’ny sokajin-taona 15 hatramin’ny 49 taona teo anelanelan’ny taona2010 hatramin’ny taona 2015. Teo anelanelan’ny taona 2016 hatramin’ny taona 2019, lasa 0,30 isan-jato izany. Tsy nitsaha-nitombo hatrany izany taty aoriana, nahatratra 0,40 isan-jato izany ny taona 2020 hatramin’ny 2022 ary manodidina ny 0,50 isan-jato ny taona 2024. Tanan-dehibe maro no tandondomin-doza amin’ny fihitaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina noho ny antony hazavaintsika manaraka eo. Ny ao Mahajanga ohatra, olona vaovao enina isan-kerinandro no fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina.

Azo lazaina fa mbola ambany ny tahan’ny olona mitondra tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara saingy raha avadika ho tarehimarika izany dia aman’aliny. Manodidiana ny 6 arivo sy 7 alina mantsy ny olona voamarina tamin’ny fitiliana natao fa mitondra ny tsimok’aretina tamin’ny taona 2023 eto amintsika, ary 3 arivo eo ho eo ny isan’ny olona maty vokatry ny aretina nahazo azy.

Omena antsika ireo fivoaran’ny tarehimarika ireo mba ahafatarantsika fa tsy honohono fa tena misy ny olona mitondra ny tsimok’aretina sy ireo maty noho aretina azo vokatr’izany. Misoko mangina toa ron-gisa tokoa ny fihanaky ny tsimok’aretina VIH SIDA eto amintsika. Ny firenena hafa atsy Afrika efa mihena ny tarehimarika any aminy, ny antsika kosa tsy mitsaha-mitombo. Tanjona napetraky ny firenena mikambana anefa ny hanafoana izany amin’ny taona 2030.

Antony maro no mahatonga ny fielezan’ny tsimok’aretina VIH SIDA eto amintsika. Isan’izany ny fitomboan’isan’ny fiarahan’ireo olona samy mitovy fananahana, ny fitomboan’isan’ny olona mampiasa ny tsindrona zava-mahadomelina, ny firoboroboan’ny asa fivarotan-tena sy ny fijangajangana. Ireo rehetra ireo izay atosiky ny fanindrahindrana anaty tambazotran-tserasera sy ny haino vaky jery, ka vao maika manamora ny fielezany. Manampy trotraka ny tsy fanaovan’ny an-kapoben’ny olona fitiliana noho ny antony samihafa. Ny 22 isan-jaton’ny marary ihany hareto no voalaza fa manaraka fitsaboana.

Tsy ampy ankohatr’izay ny fanentanana ny olona hitandrin-tena manoloana ny aretina, toa ny nisy tamin’ny taona 2005 hatramin’ny taona 2008. Zara raha misy ireo marary sahy mijoro vavovolombelona noho ny tahotry ny fanilihana ataon’ny fiaraha-monina. Nihena ny famatsiambola natokana ho amin’ny ady atao amin’ny SIDA. Na dia misy aza ny paik’ady iadiana amin’ity aretina ity, dia tsy hita taratra ny vokatra azo tsapain-tanana. Tsy re tsaika ihany koa amin’ny an-kapobeny ny asan’ny Komitim-pirenena Miady amin’ny Sida na ny CNLS. Tsy hita mivaingana toa izany koa ny asan’ireo fikambanana tsy miankina miady amin’ity aretina ity.

Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan’isany koa ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina VIH SIDA, fa ahiana hatrany hiparitaka ny aretina raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra manoloana ny tsy fahampian’ny fitaovana entina misoroka ny fiparitahan’ny tsimok’aretina. Tsy maharaka ohatra ny seringue mbola tsy niasa, ampiasan’ireo olona mitsindrona zava-mahadomelona, izay fomba tena iparitahan’ny tsimok’aretina haingana.
Voafetra ihany koa ny tolotra momba ny fitiliana noho ny fitaovana tsy maharaka tany amin’ny toeram-pitsaboana nanaovana ny fanadihadiana. Olana ankohatr’izay ny fanilikilahana mihatra amin’ireo mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA ka mety hananan’izy ireo eritreritra tsy hiraharaha ny hafa ka hanaparitaka izany. Tokony ho ampy an’ireo olona fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina koa ny fanafody.

Marina fa mbola ambany ny tahan’ny olona mitondra tsimok’aretina eto amintsika. Saingy mampanahy ny mety hitaran’ny tarehimarika. Sakana hoan’ny fampandrosoana nefa ny fielezan’ny aretina SIDA raha tarafina amin’ny tranga iainan’ireo fianakavian’ny marary sy ny zava-misy niainan’ireo firenena atsy Afrika izay efa tafakatra ambony ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina tany aminy. Mamotika ny fianakaviana ny aretina ary tsy vitsy ireo ankizy kabonty tsy fidiny, ka voatery manampy isa ireo matory an-dalana. Sakana amin’ny famokarana ihany koa. Mihena ny hery enti-mamokatra. Mihamahantra ny fianakaviana. Tsy misy mamokatra intsony ny tany eny ambanivohitra. Mikatona ny sekoly, nohon’ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny mpampianatra. Mihena iray isan-jato isan-taona ny vokatra anatiny ankapoben’ny firenena na ny PIB raha ny 10 isan-jaton’ny olona ao amin’ny firenena iray no mitondra ny tsimok’aretina.

Isan’ny efaniharan’izany i Afrika atsimo sy Zimbabwe ny taona 2005. Tany Zimbabwe, ohatra, dia ny 20 isan-jaton’ny mponina no nitondra ny tsimok’aretina ary 10 isan-jato kosa izany tatsy Afrika atsimo… Izany indrindra no nanosika ny fianakaviambe iraisam-pirenena niady tamin’ity aretina ity, ka nanokanan’izy ireo volabe. Azo atao tsara mantsy ny miady aminy satria, raha ny 30 isan-jaton’ny mponina tany Ouganda, ohatra, no nitondra ny tsimok’aretina ny taona 1993, dia nidina 8 isan-jato izany ny taona 2000 nohon’ny ezaka samihafa nataon’ny tompon’andraikitra. Teo ihany koa ny fivoaran’ny fikarohana samihafa ka ahafahana mitsabo ireo olona marary na dia mbola tsy ahitam-panafana aza ity aretina ity hatramin’izao.

Manoloana ity areti-mandoza sady mamono mahafaty ity, dia mba te hitondra tandrify azy ny Arofanina hoe: dieny mbola azo sorohana ny loza, dia ndao hiara-hientana, mba tsy hiafara amin’ireo tranga nisy tatsy Afrika ireo ny firenentsika. Firenena efa azo lazaina fa miaina fahantrana lalina noho ny antony samihafa. Mivoy hatrany ny fampianaran’ny Fiangonana ny Arofanina eto mba samy hanaja izany ny tsirairay avy. Hoan’ny tanora, ny tsy hirosoana amin’ny fanaovana firaisana mialohan’ny fanambadiana, ny fanajan’ny mpivady ny vady an-defimandriny avy. Fahadisoan-kevitra koa ny fampiasàna fimailo entina miady amin’ity areti-mandoza ity.

Fomba an-kolaka na mivantana koa aza io mitarika ny olona hijangajanga; ary tsy eken’ny fampianaran’ny Fiangonana… Misoko mangina re olona ny fihanak’ity aretina SIDA ity ka samia mifehy tena isika rehetra. Ramalona aza hono nifehy hazo tokana.

 

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...