….-Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly isika etoMadagasikara rahampitso Talata 09 Desambra. Efa an-taonany maro isika no nanamarika izany. Fotoana hanamafisana ny fahavononan’ireo fitondram-panjakana nifandimby hiady amin’ity kolikoly ity. Raha ny hita aloha, dia sarotra ny ady amin’izy ity, indrindra hoan’ny firenena mahantrasy andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, satria efa niorim-paka ela ilay toe-tsaina mpanao kolikoly, tsy teto Madagasikara ihany fa saika maneran-tany mihintsy. Azo lazaina fa efa tany amin’ny fahagolan-tany mihitsy no efa nisy ity kolikoly ity. Sarotra hoy ny arofanina no hiady aminy satria efa manenika ny sehatra samihafa : toy ny fananan-tany, ny fitandroana ny filaminana, ny fitsarana, ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamana sy ny maro hafa....

….-Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly isika etoMadagasikara rahampitso Talata 09 Desambra. Efa an-taonany maro isika no nanamarika izany. Fotoana hanamafisana ny fahavononan’ireo fitondram-panjakana nifandimby hiady amin’ity kolikoly ity. Raha ny hita aloha, dia sarotra ny ady amin’izy ity, indrindra hoan’ny firenena mahantrasy andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, satria efa niorim-paka ela ilay toe-tsaina mpanao kolikoly, tsy teto Madagasikara ihany fa saika maneran-tany mihintsy. Azo lazaina fa efa tany amin’ny fahagolan-tany mihitsy no efa nisy ity kolikoly ity. Sarotra hoy ny arofanina no hiady aminy satria efa manenika ny sehatra samihafa : toy ny fananan-tany, ny fitandroana ny filaminana, ny fitsarana, ny fanabeazam-pirenena, ny fahasalamana sy ny maro hafa....

…..- Na teo aza ny ezaka nataon’ny mpitondra nifandimby nametraka ireo rafitra rehetra iadiana amin’ny kolikoly : toy ny Bianco, ny PAC, ny SAMIFIN ny ARAI, ny CSI, dia tsapa fa vao mainka mahazo vahana sy mitombo ity asa ratsy ity ; manaporofo izany ny tatitry ny Transparency International fa tany amin’ny laharana faha 140 amin’ny firenena miisa 180 no misy an’i Madagasikara amin’ity resaka kolikoly ity ny taona 2024 ; salan’isa 26 amin’ny 100 ny naoty azontsika Malagasy momba izany, io ilay antsoina hoe IPC na Indice de Perception de la Corruption. Toa manamarina izay fitomboan’ny kolikoly izay ihany koa ny tatitry ny Bianco ny 14 Novambra teo, izay milaza fa tao anatin’ny 21 taona nijoroan’ny Bianco dia maherin’ny 6 arivo sy 9 alina ny fitarainana voaray, ka maherin’ny 3 arivo sy 2 alina tamin’ireo no trangana kolikoly, maherin’ny Arivo sy 2 alina kosa no antotan-taratasy voakirakira, ka ny 400 sy 6 Arivo tamin’ireo no trangana kolikoly voaporofo ary efa natolotra ny fitsarana. Hoan’ny taona 2024 /2025 dia olona ambony mpikamban’ny governemanta sy Parlemanta miisa 13 no nanaovana fanadihadiana momba ity kolikoly ity, mpiasam-panjakana ambony miisa 99, ary mpandraharaha ara-toe-karena miisa 67 no voasaringotra amin’ity raharaha manga ity. Miisa 351 ny olona nampidirina am-ponja, noho ny resaka kolikoly, raha ny tatitry ny Bianco hatrany.

….-Voaporofo tokoa arak’izany fa tena mamotika fiarahamonina sy ny firenena ny kolikoly. Inona kosa àry ny vahaolana sy arofanina mba hampihenana na hamongorana mihitsy ity asa ratsy ity? Mila fanovàna lalim-paka mianga amin’ny toe-tsain’ny tsirairay izy io. Ny olompirenena tsirairay no mila mahatsapa voalohany fa ratsy ary mamotika ny tena sy ny firenena ny kolikoly, ka tokony alavirina toy ny fasam-bao. Tokony hiainga any an-tsekoly ny ady atao : beazina sy entanina ny mpianatra mba handà ny kolikoly, mila ampahafantarina azy ireo ny voka-dratsy aterany eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena… Raha hoan’ny rafitra Bianco manokana izao dia mifototra amin’ny fanabeazana olompirenena mikasika ny fisorohana ny kolikoly no tena laharam-pahamehana. Tsy ankinina samy irery amin’ny mpanabe anefa ny fanabeazana sy ny fanentanana ny ankizy sy tanora momba ny ady amin’ny kolikoly, fa samy tompon’andraikitra sy manana anjara tandrify amin’izany ady govana izany avokoa ny rehetra, na ny Ray aman-dreny, na ireo raiamandreny am-panahy, na ny mpitondra fanjakana. Soso-kevitr’ireo mpiasam-panakana sy ny sendikan’ny mpiasa samihafa ny hoe : hatsarao ny fari-pianan’ny mpiasa Malagasy, omeo karama ampy sy mahavelona izy ireo dia mety ho foana ny kolikoly, na farafaharatsiny ahay mety hihena. Kanefa moa na hikarama be an-tapitrisany aza, dia mbola misy hatrany ireo olona ambony efa mpanefoefo, tsy mahay mihonona fa mbola manao kolikoly avo lenta sy manondrana ny harem-pirenena ihany. "Tanana zatra mitsotra ka tsy afaka mivonkina intsony e" Sanatria ve dia ho
zary "lalan-kitan-kisoa"? Mbola ho sarotra sy lavitr’ezaka ny ady amin’ny kolikoly, raha hoantsika eto Madagasikara, mba tsy hilazana hoe mbola lavitry ny afo ny kitay. Koa manentana ny olompirenena tsirairay samy handray ny tandrifiny, hanohitra an’ity endrika fahalovana ity, fa ady iombonana ny famongorana hatramin’ny fakany ny kolikoly eto amin’ity Madagasikara tanindrazana malalantsika ity.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...