Manamarika ny fotoam-pahasahiranana goavana ho an’ny ankamaroan’ny malagasy izao vanim-potoana atrehintsika izao. Sahirana mitady izay harotsaka hiantohana ny tontoloandro. Vanim-potoan’ny fahavaratra zay. Io ilay antsoin’ny fitenenana malagasy hoe fotoan’ny maitso ahitra. Voambolana taty aoriana tsy voarakitra ao amin’ny raki-bolana Malagasy tranainy ny teny hoe « maitso ahitra ». Hevitra maro no azo andikana izany toy ny hoe : zava-maniry na mitombo ny ahi-maitso, izany hoe mampiroborobo sy manome fanantenana ho an’ny tantsaha. Kanefa fotoana tena maha sahirana azy ireo koa. Eo ohatra ny fasahiranana mianjady amin’ny tantsaha eny ambanivohitra amin’ny sakafo ilan’izy ireo noho ny tsy fisian’ny fidiram-bola.
Ny maitso ahitra dia manomboka amin’ny fikarakarana ny taom-pambolena lehibe mandrapahatongan’ny fotoana miaka-bokatra na ny fararano. Mifanojo amin’io vanim-potoana io mazàna ny fisian’ny rivo-doza na fahabetsahan’ny orana izay mety hanimba ny fambolena...
Tsy mitovy anefa ny fisehon’ny maitso ahitra hoan’ny anivon-tany sy ny amotontsiraka. Hoan’ny afovoan-tany : tsy ampy ny fidiram-bola noho ny fiandrasana ny fahavokarana. Amin’io fotoana io no mampitombo isa ireo tanora mitady asa eny anivon’ireny orinasa hafakaba ireny. Eo koa ireo tanora avy any ambanivohitra miakatra mitady asa trano aty andrenivohitra. Mari-drefy hamatarana ny maitso ahitra ihany koa ny tsy fisian’ireo mpikarakara fety aman-danonana manomboka ny volana janoary hatramin’ny Aprily eo.
Hoan’ny any amorontsiraka indray, dia sahirana ireo mpanjono noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro Fotoana fiakaran’ny voankazo koa anefa ny maitso ahitra izay tokony hampidi-bola hoan’ireo tantsaha, saingy misedra olana amin’ny faharatsian-dàlana noho ny rotsak’orana.
Tato anatin’ny taona vitsy izao dia adikan’ny Malagasy ho ny volana Janoary no fotoanan’ny maitso ahitra. Anton’izany ireo fandaniam-be natao nandritra ny volana desambra amin’ny fisian’ny fety isa-karazany. Ny karama iray volana no miantoka ireo fandanian’ny fianakaviana, ary misy mihitsy aza ny sasany tsy mitsinjo ny vodiandro merika amin’ny fividianana akanjo, kiraro, kilalao, karazan-tsakafo isan-tsokajiny sns... mandritra ny volana desambra, ka lahoana vao mahafaka ny volana janoary.
Tsy ny volana Janoary no lava, fa ny tsy fahaizana mandanjalanja ny vola miditra sy ny tokony hivoaka ary ny tsy fitsinjovana ny tampoka toy ny aretina sns...no mahalava ity volana iray ity. Firifiry amin’ny mpiasa moa ao anatin’ny volana janoary no manisa andro, tsy handry izay ahatongavana amin’ilay faha 15n’ny volana hangatahana ilay « ampahana karama mialoha na avance sur salaire ».
Etsy an-kilany, rehefa fotoana mampitobaka ny vokatra indrindra ny ankamaroan’ny tantsaha no tsy mitsinjo ny maitso ahitra, fa avy dia manao tovolahy mahita fotsimbary, amidy avokoa ny vokatra. Misy mihitsy aza ireo tantsaha manao ny varo-maitso, izany hoe amidy mora amin’ny mpanambola ny vokatra na mbola eny antsaha aza. Ny mpanam-bola koa moa toa faly manaraotra ny fahasahiranan’ny hafa. Ireo mpamboly vary sy voankazo no tena iharan’izany matetika. Amin’ny fotoana hitobahan’ny vokatra ihany koa no hanararaotan’ireo mpandraharaha manangom-bokatra sy manao tahiry. Ary tsy mamoaka ireny vokatra voaangony ireny izy ireo raha tsy efa anatin’ny fotonan’ny maitso ahitra, ka mahalafo vidy ny vokatra. Ary mazana ireo nividianany mora ilay vokatra ihany no hivarotany azy amin’ny vidiny lafo.
Fotoanan’ny fitsitsiana, fihafiana hoan’ny ankamaroan’ny tokatrano Malagasy ny maitso ahitra. Mifehy kibo amin’ny sakafo, mampihena ny fandaniana tsy dia ilaina loatra ary lasa fomba amam-panao raiki-tapisaka hoantsika mihitsy ny fiainana ity vanim-potoan’ny maitso ahitra ity. Mba mitondra izay tolokevitra ifanampiana ny arofanina manoloana ny olana ateraky ny vanim-potoan’ny maitso ahitra. Sao dia tokony hanova fomba amam-panao amin’ny famokarana isika malagasy e. Raha misy ny fahafaha-mamokatra amin’ny main-tany na mialohan’ny maitso ahitra, dia tokony hamokatra betsaka araka izay tratra, ary mikaroka fomba hitehirizana ny vokatra hitsinjovana ny vodiandro merika. Asa ! mety hoe mora tenenina ve izany sa sao mba misy azo raisina ihany, fa isan’ny fanavaozana ara-pivelomana koa anie izany e.