Feno herintaona katroka ny Arofanina. Zana-pandaharana iray eto amin’ny Radio Don Bosco. Matoandahatsoratra novokarin’ny sampana fampahalalam-baovaon’ny RDB. Ny 03 Febroary 2025 no nisantarana ity fandaharana manokana Arofanina ity. Natao hamakafakana sy handalinana ny zavamisy eto amin’ny firenena, mahakasika ny sosialy ny toekarena, ny politika, ny trangam-piarahamonina sy ny sisa. Herintaona nitondrana fomba fijery sy famakafakana ny andavan'androm-piainan-dramalagasy. Herintaona nanabezana, nampitana fahalalana, fanakianana.

Fa herintaona indrindra koa nitondrana soso-kevitra ho fampivoarana sy fampandrosoana ny mahaolona ny manontolo ny olompirenena sy ny firenena iaraha-manana. Taona iray nivoizana sy nanairana, nanabeazana ny  saintsika handala ny rariny ara-tsosialy ho an'ny fiaraha-monina.
Ankoatra ny famakafakana dia nisy koa ny tsikera sy ny fanomezana soso-kevitra samihafa, arakaraky ny zava-mitranga. Sabatra 2 lela ny AROFANINA, ka sady misy ny tsindrim-paingotra, ary misy koa ny safosafo. Samy nandray izay sahaza azy sy ny tandrify azy ny mpihaino, na ny isambatan’olona, na ny mpitondra fanjakana. Misy ny mankasitraka, fa misy koa ny manakiana rehefa mahatsapa fa hiantefan'ny tsindrom-paingotra. Herintaona nahazoana tsikera avy amin'ireo nahatsiaro ho voatsindrona manokona, nahazoana dera tamin'ireo nankasitraka. .. Tsy voatery handrotsirotsy ny avo, na hanafosafo ny iva ny Arofanina. Tsy natao hamalifaly ny mpitondra, na hanome vahana ny mpanohitra ny Arofanina, fa natao ho elanelam-panahy hitondra ny feon'ny valala be mandry miainga eny anivon'ny fiarahamonina, eo amin'ny tontolo politika, toe-karena, sosialy, kolotsaina, fanatanjahatena sy ny maro hafa.
Arofanina ! zaza vao manara-drindrina, saingy mametraka fanamby hitondra ny anjara birikiny ho famolavolana sy hanabezana, mba haha olom-banona ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo. Tsy mivoana @ fototra ijoroan'ny RDB anefa ny AROFANINA, fa miezaka hatrany mitondra ny fanabeazana ho an'ny mpihaino sy ny mpankafy ny RDB, indrindra ny vaovao omeny… Zaza tokoa raha oharina amin'ny olombelona, satria vao miana-mitsangana hizotra handeha. Na izany aza anefa dia miezaka hijoro, ka nametraka ny Arofanina mba tsy ho lavo na handavo ny hafa, fa mijoro hatrany hampisaina ireo zatra ny lalan-dririnina, ary indrindra mba tsy hanakivy ireo efa miaina hatrany ny tsindry hazo lena. Aro fanina natao hiarovana ny firenena tsy hivarina any an-kady. Lohahevitra maro samihafa no efa nentina taminao mpihaino tamin’ity fandaharana ity : toy ny ady amin’ny kolikoly, ny fanabeazana, ny fahatapahan-jiro sy rano lava reny nisy teto amin’ny firenena, ny tetik’asan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha izay nambaran’ny maro fa misy tsy laharam-pahamehana, ny mahakasika ny valan’aretina MPOX ; ny fahapotehan’ny lalana saika manerana an’i Madagasikara, ny tanàna maloto sy fako mivangongo tao Antananarivo Renivohitra, sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Tsy nokobon'ny RDB samirery noho izany ny Arofanina tiany hampitaina, fa naborany mba hampisaina ny rehetra. Maro tokoa mantsy ny mety ho nahatsapa fa toa voatohintohina, na niharan’ny endrika tsikera nambara teto nandritra ny herintaona. Tsy natao hikapana ranjo olona iray, na antokon'olona, na mpitondra, na mpanohitra anefa ny Arofanina fa natao lakolosy fanairana sy fanarenana ny tsy mety, hanovana ny famindra hoan’ireo zatra manao ny lalandririnina. Ilain'ny fiaraha-monina ve? Henoin'ny fiarahamonina ve? Asa ianareo raha mihaino, hoy ilay mpanakanto iray izay. Tsy hevitra lavorary akory, ary tsy mihambo ho faratampony amin'ny fivoizana, na fizaran-kevitra ny Arofanina, fa kosa manana adidy eo anatrehan’ny fiaraha-monina sy ny firenena malagasy iray manontolo. Anjara biriky kely ho fanarenana ny firenena, indrindra amin’izao fanavaozana tian-kajoro eto amin’ny firenena izao

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...