---/…  Nanamarika ny 03 mey, andro isaisam-pirenena ho an’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety isika omaly. Niavaka izany tamin'ity taona ity ho antsika teto Madagasikara satria andron'ny fanavaozana tokoa angamba. Herinandro mialoha tokoa manko no efa nisy ireo hetsika isan-karazany,  ary mbola nitohy omaly  ivon’ny fankalazana, tamin'ny alalan’ny fizarana mari-boninahitra ho an'ireo nahavita be teo amin'ity sehatra ity. Velom-pisaorana ny amin’izany ny Arofanina...

Fa maninona moa no hankalazaina ny andro ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ? Satria mbola misy tsy fahafahana ao, mbola maneritery ny mpanao gazety  amin’ny fanatanterahana ny asany. Ny hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha. Adidin’ny mpanao gazety manko ny manome vaovao ny mpihaino, mpamaky, mpijery. Rariny izy raha mitaky fahalalahana, miasa lavitry ny teritery. Fa na izany aza aloha dia miankina amin’ny firehan’ny tompony sy ny lalan-jotran’ilay orinasan-tserasera ihany ny fahafahan’ilay mpanao gazety miasa, ka tsy afaka mivaona amin’iny izy, n’inon’inona fahalalahana an-kapobeny omena azy. Midika fisitrahan’ny Olom-pirenena vaovao maroloko sy zoro samihafa ny fanomezana fahafahana ny mpanao gazety, arak’io voafaritry ny lalan-jotra amin’ny orinasa hiasany io. 

De ireny navoakan’ny Reporter Sans Frontières ireny fa niakatra ny laharan’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Lasa faha-103  amin’ny firenena 180 maneran-tany isika tamin’ity indray mitoraka ity. Toa hoe : nihatsara ihany koa ny naoty azo tamin’ny tondro ara-politika sy toe-karena a? Heverina hitondra onja miabo ho an’ny fahalalahan’ny asan-gazety ihany koa ireo fakan-kevitra hanatsarana ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery, izay efa nasiam-panitsiana tamin’ny taona 2020. Tanjona ny tsy andoavan’ny mpanao gazety onitra amin’ny heloka an-gazety mety hiseho.

Nambara ho efa voavolavola ihany koa ny tolo-dalàna ahafahan’ny mpanao gazety mahazo loharanom-baovao ofisialy eny amin’ireny birao sy sampan-draharaham-panjakana ireny, ka andrasana ny hankatoavana azy ho lalàna. Tsapa mantsy fa matetika dia voafetra amin’ny fampitam-baovao ofisialy ihany ny fahafahan’ny mpanao gazety mamoaka ny vaovaom-panjakana. Tsy filàna voatsiary akory izany fa fanavaozana amin’ity sehatra ity e. 

Efa tsara izany rehetra. Fa ny « indrokely hoy ny mpandrafitra » moa manaraka eny ihany. Mba tian’ny Arofanina ampitaina ny momba ny faneriterena ny mpanao gazety, raha tsy hilaza afa tsy ilay tranga nataona tovovavy iray anatin’ny Gen Z nilaza fa hifampitady amin’ny mpanao gazety izy, raha tsy manao tsara ny asany iretsy, dia ny hamoahana manontolo izay lazainy fa tsy mila tapahana.  Manginy fotsiny ny fikasihan-tànana mpanao gazety, raha tsy hilaza afa-tsy ilay teny Behoririka farany teo. Fa misy hakan’ny mpanao gazety lesona ihany koa ny toe-javatra toy ireny, amin’ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny asany sy anehoany ny maha-matihanina azy.

Fa tena tandindomin-doza amin’ny lafiny hafa ihany koa ny asa fanaovan-gazety, manoloana ny firoboroboan’ny tambajotran-tserasera. Ity tranga ity izay toa maneritery ny sehatry ny fanaovan-gazety ihany koa. Fanina ny Olom-pirenena amin’ny fiparitahan’ny vaovao be loatra amin’izy ireny. Toa lasa maka ny asan’ny mpanao gazety aza ny mpisehatra amin’ny tambajotra ara-tsôsialy. Vao mainka manimba izany, satria miha-maro loatra ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina miteraka savorovom-piaraha-monina sy fifankahalana. Lohahevitra rahateo nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety tamin'ity taona ity ny hoe : « manorina hoavy anaty fandriampahalemana ». 

Fotoana izao, hoy ny Arofanina,  hanavahana ny vary sy ny tsiparifary. Mba ho vaovao marim-pototra no avoakan’ny mpanao gazety matihanina hiavahany amin’ireo misandoka ho mpanao gazety, mba ahafahan’ny olom-pirenena mino fa tena marina sy mitombina ilay vaovao reny na hitany na novakiany. Fa raha ny zava-misy amin’izao fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana izao manko, ny mpanaparitaka vaovao diso indray no mipetraka ho mpanao gazety. Manampy trotraka izany ny faneriterena sy ny ramahatahora atao amin'ny tena matihanina, satria te hifehy ny serasera amin'ny firenen-keviny ireo mpaneritery. 

Mbola tompon’ilay fahefana faha-4 ve ny mpanao gazety matihanina, manoloana izany zava-misy izany ? Sao sanatria hanimba fiaraha-monina, hitarika hadalana sy hanakam-panovana… Amin’izay fotoana izay, ny fahamarinana ilaozana,.. dia… ho lasa fahavalom-panavaozana !!! 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...