Tsy maintsy miaro ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny Eglizy sy ny olon-drehetra, ny fiaraha-monina sy ny Fanjakàna ary ny Fikambanam-be iraisam-pirenena. Lazain'ny Eglizy fa ny fianakaviana no fototra iorenan'ny fokonolona ; ao ny taranaka mifandimby no mifanampy hahazo fahendrena bebe kokoa sy hampirindra ny zon'ny olona amin'ny zavatra ilaina eo amin'ny fiainana ara-tsosialy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
21 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Ambaran'ny Eglizy fa "ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly, sady tsy noteren-tsy novozonana ka tena mendrika ny olombelona tokoa ; noho izany ny olombelona manontolo mihintsy no soavin'io fitiavana io. Marihina amin'izany fa ny hoe "fitia mifamaly" tsy midika akory hoe tsy fisian'ny fifandonan-kevitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
20 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco