29 aogositra — I Masindahy Joany Batista ilay resahana eto dia ilay mpialoha lalana sy nanao batemy an’i Jesoa. Raha iverenantsika kely ny fiainan’ity olomasina ity satria efa nisy fotana niresahantsika azy tamin’ny volana jona dia zanak’i Zacharie sy Elizabeth izy.

Matetika dia avy amin'ny fianakaviana misy raiamandreny mpikatroka, mpandray andraikitra ao amin'ny Fiangonana no ipoiran'ny fiantsoan'Andriamanitdra ho amin'ny fandraharahana masina. Napetraka ho ohatra tokoa mantsy ny raiamandreny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alatsinainy 29 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 16-30

28 aogositra — Teraka ny 13 novambra 354 tao Thagaste, ao Afrika Avaratra, i Aurélien Augustin. Patricius no rainy, ary Monique izay tsaroantsika ny 27 aogositra no reniny. Io reniny io ny nanabe azy tamin’ny fanabeazana kristianina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...