Ny eglizy sy ny fitondram-panjakàna dia mpiara-dia amin'ny sehatry ny fampandrosoana, ara-batana, ara-panahy. Ny fiangonana dia sady famantarana no fiarovana toetra ambony mahaolona ny olona iray. Samy manana ny adidiny ny fiangonana sy ny fitondram-panjakàna fa mifameno kosa izany adidy masina izany. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 31 jolay 2022 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Miambena ary mivonona ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Lioka 12, 13-21
30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.
Mila mitandrina ny tsirairay manoloana ireo vondrona maneho ny fanjakàna mpanao "bodon-gerina". Ny fitondrana dia tokony hanao ho lohalaharana ny tombontsoa iombonana. Ilaina hatrany ny fakan-kevitra sy ny fifanankalozana, ny fitsinjaram-pahefana. Atao misongadina hatrany ny soatoavina mahakristiana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco