Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39

Mpampinany ny relijiozy satria maneho ankehitriny ny fiainan'i Jesoa Kristy mahantra, manaiky ary madio. Endrika anehoan'ny relijiozy ny fiainany ny didy voalohany ao amin'ny didy folo ny fanahafana an'i Kristy manaiky. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Talata 22 febroary 2022 — Fiketrahan'i Masindahy Piera, Apôstôly — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Maro ny fomba hamohazan'ny relijiozy an'izao tontolo izao: Fitondrana hafaliana vokatry ny fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona ; fijoroana ho vavolombelona ao anatin'ny fahasamihafana ; fahasahiana miteny sy manameloka ireo fihetsika mifanohitra amin'ny finoana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...