Zoma 18 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46

Ny votoatinny : Miresaka momba ny mpiasa, indrindra ireo mpiasa amin'ny indostria noho izy ireo difotry ny fahantrana tsy hay leferina ; fitakiana zo : zo hanan-javatra manokana, zon'ny osa, hasin'ny mahantra sy ny adidin'ny manan-katao. Nitaky fomba vaovao sy fandraisana andraikitra ho an'ny Eglizy.  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alakamisy 17 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31

Ny teny hoe " fampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy " dia efa nisy hatramin'ny Papa Pie XI, enti-milaza ny "antontan-tsoratra mirakitra ny fampianarana mikasika ireo loha-hevitra manan-danja eo amin'ny lafiny sôsialy (PieXI, Quadragesimo anno, 1931, n°-87).  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...