Talata 23 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11
Misy ireo misafidy ho pretra na relijiozy na ho tokan-tena, rehefa mandalo zava-tsarotra ny olona dia mihevi-tena ho diso lalana, hany ka lasa mangozohozo sy tsy mari-pototra ilay antso tokana niantsoana antsika dia ny fahamasinana. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alatsinainy 22 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4
Antso hizoran'ny maro ny fahamasinana "ny fanambadiana", nefa mapametra-panontaniana matetika ny hoe " tena afaka hitondra amin'ny lalan'ny fahamasinana marina ve io safidim-piainana iray io?". Indraindray aza toa alaim-panahy hilaza fa diso safidy na diso lalana mihintsy ka lasa mitomany ny randrana manendrika ny hafa. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco