Betsaka ankehitriny ny tanora mianatra mitia ny fahanginana sy mifandray akaiky amin'Andriamanitra. Misy andiana tanora mivory mba hitsaoka ny Sakramenta Masina na hivavaka miaraka, izay efa mivoatra tokoa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28

Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Talata 3 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...