Sabotsy 11 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49

Misy ny fiovana rehefa voaantso ny olona iray ; ohatra i Md Piera dia mpanarato trondro fa lasa mpanarato olona. Eo am-pandinihina ny antson'Andriamanitra miantefa amin'ny tsirairay dia fantarina tsara aloha ny tena sy ny maha-izy azy ny tsirairay. Ny olona nantsoin'Andriamanitra dia nanankinany andraikitra araka ny maha-izy azy avy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Zoma 10 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-42

Aza kivy amin'ny fitsapana satria fantatra fa hisy famantarana miseho. Ny sedra dia fidiran'Andriamanitra amin'ny tantaran'ny olona iray, anefa misy olona hafa manampy amin'izany ary isan'izany ireo Olomasina. Ny valintenin'ny olombelona amin'ny antso dia valinteny eo no eo rehefa mazava ny antoka. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...