Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Talata 3 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-36
Mibahan-toerana voalohany ny asa ho an'ny tanora. Tsy maintsy ilaina ny asa fa singa iray hoetina mivelona eo amin'ny fiainana. Ny asa dia lalana hirosoana amin'ny fahamatorana sy fivoaran'ny maha olona. Ny asa dia tsy itadiavam-bola fotsiny fa fenehoana ny fahamendrehana ihany koa indrindra ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alatsinainy 2 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco