Alarobia 05 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 1-6 — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Tsy tokony hihanona amin’ny fanabeazana sy ny fikolokoloana ny ankizy ny olon-dehibe, fa tokony hianatra ihany koa ny fahatsorana sy fanetren-tena ananan’izy ireny. Arahantsika ny tohin’ny katesizin’ny Papa François, miaraka amin’ny fanazavana ataon’i P. Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.

Talata 04 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Alatsinainy 03 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...