Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.
Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco