Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny fahasalamana dia tsy tomombana raha tsy mahakasika ny vatana, saina, fanahy. Ny sakafo ara-pahasalamana sy madio, maro loko sy miovaova dia isan'ireo singa fototra loharanon'ny fahasalamana. Ny torimaso sy ny fahadiovan'ny vatana dia singa hafa ahazoana fahasalamana ihany koa. Ahitana trangana areti-maso any Mahajanga izay misy fambara : Mena ny maso, mangidihidy, misy tai-maso, mihena ny fahitana, fanaviana, aretin'andoha, mijohy fotsiny ny ranomaso, mivonto. Areti-maso mifindra amin'ny fifampikasohana koa mila manadio tanana matetika amin'ny rano sy savony, aoka tsy hikasika matetika ny maso. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

Ny aty dia taova iray eo ambanin'ny elabakaka, amin'ny ilany havanana amin'ny kibo no misy azy, milanja 1 hatramin'ny 1,5kg ho an'ny olon-dehibe. Ny asan'ny aty : mitahiry ny glucide havadika ho glucose, mamokatra proteine ilaina amin'ny fivainganan'ny ra, manala ny poizina sy ny zavatra tsy ilain'ny vatana, mitahiry ny vitamina A-D-E-K, mamorona ny ranon'afero ilaina amin'ny fandevonan-kanina, manodina ny menaka, mandamina ny tahan'ny tsirim-panentana ao amin'ny olona, mandamina sy manjalanja ny hafanan'ny vatan'ny olona... Rehefa tsy mahavita ireo asany ireo ny aty dia azo sokajiana fa tratry ny faharefon'ny aty. Fambara : reraka, misy olana ny fivainganan'ny ra...

Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...