Mila samy mianatra mandray andraikitra ny tsirairay fa samy tompon’ity tontolo ity matoa noharin’Andriamanitra, samy manana anjara asa isika rehetra amin’ny hanatsarana ity tany ity na anatin’ny fahasamihafana, izany hoe fanabeazana amin’ny soatoavina sy fahaiza-miaina. Ilaina ny fanohanana ara-tsaina, ara-panahy raha toa ka misy olona efa miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA mba hanome hery azy ahavitany hatramin'ny farany ny fitsaboana izay tokony ataony mba tsy hamindra amin'ny hafa intsony... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny vady dia fameno, mifanampy amin'ny lafiny maro ; olona roa, lahy sy vavy, no mifanaky hanohy ny fiainana. Ny fanambadiana dia midika fahaleovan-tena, hanohizan'aina, olona mifanaiky an-tsitrapo, fitia mifamaly tsy an-tery. Ny fanambadiana dia fanapahan-kevitra eo anatrehan'ny fianakaviana, fiaraha-monina, fanjakàna, ary ny fiangonana, fanorenana fiainana vaovao sy ankohonana vaovao... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Mifanaraka amin'ny tetiandro navoakan'ny Papa Ray Masina mikasika ny fankalazana ny taon-jôbily 2025, natokan'ny Eglizy ho jôbily ho an'ny olona manana fahasembanana, ny datin'ny 28 avrily 2025. Atao hoe "Sembana" ny olona iray raha toa ka mihena mandalo na maharitra ny fahafenoiny ara-batana na ara-tsaina, azo hatrany am-bohoka, na vokatry ny fahanterana na vokatry ny loza, hany ka lasa tsy lavorary ny fahaleovantenany, ny fianarany, sy ny asany... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Vanim-potoana tsy mifanalavitra ny taom-baovao Malagasy sy ny paka samy mandalo fidiovana ary miafara amin'ny fifaliana, fiavaozana amin'ny lafiny maro (toetra - fo...) Ny saina sy ny fo mitambatra no tonga fanahy amin'ny Malagasy. Samia miezaka hanatsahatra ny endriky ny faharatsiana, didy jadona, kolikoly tsimatimanota. Ny fahadiovana dia sady fanajànao ny tenanao no fanajàna ny hafa... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco