♦ Olana goavana ho an'ny mponina any amin'ny faritra Anôsy ny fiparitahan'ny rara-pasika ka nahatonga ny olona hifindra-monina. Ny CRS no isan'ireo nitondra vahaolana amin'ny fambolana hazo ho fiarovana ny rara-pasika tsy hanototra ny tanàna sy ny fambolena... ♦ Ny fandrefiala mena dia hita any amin'ny faritra Ambositra, Ranomafana Vohibe sy ny manodidina. Mavitrika amin'ny alina ary mpihanika hazo ny fandrefiala mena, ny lohany dia lehibe noho ny hatokany...
Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)
Ny rarintsaina dia fitambaran'ny famalian'ny vatana sy ny taova rehetra ao anaty, manoloana tranga manokana iray na maromaro ka manome tsindry na vesatra amin'ny saina na amin'ny vatana na amin'ny taova ao anaty. Tsy mifidy taona ny rarintsaina fa mety ho tratra daholo rehefa olona, izay vokatry ny fahakelezan'ny herin-tsaina sy/na ny herim-batana manoloana tranga ara-piaraha-monina na tsy fahafahana maneho fihetseham-po...
Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco