Nahomby ny tetik'asa fiaraha-miasa eo amin'ny Tatsimo samy Tatsimo nampiharina teto Madagasikara nandritra ny 2 taona nanomboka tamin'ny taona 2019. Tetik'asa niarahan'ny Fitondram-panjakàna Malagasy tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ary ny FAO na ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena izay nanao ny tantsoroka ara-teknika... 

Mamono ny valanaretina Covid-19 fa tsy tokony adinoina fa misy aretina hafa maro mety mamono raha tsy mitandrina isika. Maro ny olona maty sy mararin'ny covid-19 ary mandray ny fepetra azo atao isika mba ho foana io valanaretina io. Tsy tokony adinointsika anefa fa mbola maro koa ireo aretina hafa mety hahafaty ka mila ny fifanabeazana sy ny fitandreman'ny rehetra... 

♦ Sehatr'asan'ny fikambanana Graine de vie ny fikajiana ny tontolo iainana. Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna miezaka amin'ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo eto Madagasikara. Amin'ny alalan'ny fizaràna zana-kazo sy masomboly maimaimpoana no hanatanterahany ny vinany, 10 taona izao... ♦ Ny Babakoto na Amboanala : Iray amin'ireo varika mampiavaka an'i Madagasikara, milanja 6kg hatramin'ny 9,5kg izy ary miloko mainty sy fotsy ny vatany... 

Ny ray aman-dreny dia tokony hanaraka sy hanaja fitsipika. Sahirana ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanany satria tsy mitovy ny fomba handraisan'ny ankizy ny ho fihibohana. Araka izany dia hasaina ireo ray aman-dreny mba hiezaka hamantatra ny tetiandrom-pampianarana sy ny fizotran'ny fanabeazana ireo zanany. torak'izany koa ny toe-tsain'ny ankizy ahafahana manampy azy satria misy akony lehibe ny fahabangana (mpampianatra, namana, tontolo manodidina eny anivon'ny sekoly)... 

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...