Ny sampana ORL no miandraikitra ny fahasalaman'ny faritry ny loha. Tamin'ny taona 1860 no naharesilahatra ny mpikaroka fa tokony tsy hisaraka intsony ny fitsaboana ny ati-sofina sy ny tenda ary lalana hifandraisany ny orona sy ny maso. Maro ireo aretina mety hahazo ny faritry ny loha ary saropady ka hentanina ny tsirairay mba hanantona mpitsabo matihanina raha misy tranga mampiahiahy...
Nisy ny antso avo nataon'ny Federasiônan'ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara na ny FVTM nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny 08 marsa lasa teo...
Amin'ny zava-tsarotra lalovan'ny fiainan'ny mpivady dia ny fifankaherezana sy fifanohanana no lalana tsara indrindra hiatrehana an'ireny sedra samihafa ireny...
♦ Maro ny aretina mifandray sy mifampiankina amin'ny fahadiovana sy ny tontolo iainana, iray amin'izany ny "Pesta". Ny pesta dia azo avy amin'ny voalavo marary, hafindran'ny parasy amin'ny olombelona sendra azy. Mbola ao anatin'ny vanim-potoana fisian'ny pesta isaka izao (Aogositra-Aprily), misy distrika miisa 45 mbola ahitàna tranga eto Madagasikara. ♦ Tsakafy : sokatra kely miaina an-tanety, hitan'ny mpikaroka tamin'ny taona 1927, mirefy 122 hatramin'ny 126 mm...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco