Ny fahafantarana ny tenanao no tena antoka voalohany indrindra amin' ny fahatokisana ny tena. (14-04-2021)

Ny rarintsaina dia fitambaran'ny famalian'ny vatana sy ny taova rehetra ao anaty, manoloana tranga manokana iray na maromaro ka manome tsindry na vesatra amin'ny saina na amin'ny vatana na amin'ny taova ao anaty. Tsy mifidy taona ny rarintsaina fa mety ho tratra daholo rehefa olona, izay vokatry ny fahakelezan'ny herin-tsaina sy/na ny herim-batana manoloana tranga ara-piaraha-monina na tsy fahafahana maneho fihetseham-po... 

Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao... 

Noho ny fahasarotana ateraky ny zava-misy ankehitriny dia tena ilaina ny fifanohanana sy ny fifankaherezana eo amin'ny samy olombelona. Sehatra iray hanamora izany ny eo anivon'ny mpianankavy noho izy ireo tena iharan'ny olana mivantana, ara-pifandraisana sy ara-pivelomana...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...