Ny atao hoe "Andravana" dia isan'ireo lahabolana amin'ny endrika hira. Ny "andravana" dia fanao amin'ny fotoana fiaretan-tory mandritra ny fiandrasam-paty. Ny "andravana" dia ny foko betsileo no tena manao azy ary amin'ny fotoanan'ny fahoriana ; misy karazana "andravana" ihany koa aty an-kibon'Imerina fa kosa , ity farany, dia hira fanaon'ireo havana na namana tavela an-tanàna, entina hirariana ny soa sy ny tsara ho an'ireo vatan-dahy lasa niantafika. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.

Ny anarana "tanàna" dia misy hatrany ny tantara mifamatotra aminy. Ny famoronana anarana "toerana na tanàna" dia mifototra amin'ny finoana, izany hoe faniriana soa sy fanambinana ka ao anatin'izany ny fahasalamana, harena ary ny fitiavana. Misy fomba maromaro nanomezana anarana toerana iray ; milaza "isa", miresaka "tany, loko, vato, rivotra, rano" ; milaza "foto-drafitr'asa" ; manambara fampitandremana ; mampisongadina zava-maniry. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.

Ny anarana dia entina hamantarana na hanavahana olona na zavatra. Ny anarana dia misy fototra ara-kolontsaina lehibe teo amin'ny Ntaolo sy ny razambe Vazimba. Ny fomba fanomezana anarana dia teny ierana eo amin'ny olon-droa farafahakeliny. Ny anarana dia miankina amin'ny volana, andro, fotoana nahateranana ; ohatra Dama, Ratalata, Rabefararano. Misy fotoana araka ny laharam-pahaterahana ihany koa ; ohatra : Rakoto, Rasoa, Ranaivo, Raivo, Mparany, Fara. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.

Ny atao hoe tontolo iainana dia mifitotra amin'ireto zavatra dimy ireto amin'ny ankapobeny : ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ala sy izay rehetra ao aminy, ny rano sy izay rehetra misy ao aminy, ny tanàna sy izay rehetra hita ao aminy ary ny faritra honenana sy izay rehetra ao aminy. Ny voambolana fampiasa matetika tsara tadidiana amin'ny resaka tontolo iainana dia ireto telo ireto : Kajiana, tandrovina ary ny arovana. Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Foibe momba ny teny, ny akademy malagasy sy ny sampandraharaha isan-karazany amin'ny fanefena voamboalana, ohatra ny OIF sy ny ADES. volambao : angovo mikajy tontolo, sy ny hoe fahandro mikajy tontolo. Fandaharana "Filira" sokajy fitsipika.

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...