♦ Mitohy ny fizaràna fanampiana ataon'ny Mgr Desiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina. Nahazo ny anjarany ny tao amin'ny tanànan'i Mahasoa, omaly... ♦ Hifaràna anio eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo ny hetsika fanabeazana ara-bola ho an'ny tanora karakarain'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola. Isan'ny mandray anjara ireo fikambanana mampiasa ny ombona tahiry ifampisamborana GVEG... ♦ Fananganana ny governemanta vaovao, samy manolotra ny heviny ny mpanao politika. Ho an'ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha Andry Vorisoa, governemanta ahitana solontena isam-paritra no tokony hajoro...

♦ Noazavaina tamin'ireo fikambanana na vondrom-pikambanana misehatra amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana teny amin'ny foiben-toeran'ny CENI omaly ny pitsopitsony arahana amin'ny zotra-pifidianana... ♦ Tsy tokony hanao hadisoana intsony ny governemanta hijoro ho avy eo hoy ny antoko Otrik'afo. Fotoana hirosoana amin'ny tena fanavaozana mantsy izao hoy Andriamatoa Elia Rabevahiny, filohany... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olan'ny famatsiana solika. Efa tonga ao Toamasina ny sambo mpitondra solika ho an'i Madagasikara... ♦ Nanamafy ny fahafatesan'ny ministra misahana ny fanangonam-baovao any aminy ny mpitondra ao Iran...

♦ Nisy androany ny fihaonana savaranonando teny amin'ny CENI Alarobia, nanazavana ny tsara ho fantatra amin'ny fifidianana ny solontenan'ireo mpisehatra amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Misy fanehoan-kevitra samihafa momba ny fananganana governemanta... ♦ Hiverina amin'ny laoniny manombok amin'ny zoma izao ny famatsiana solika ho antsika eto Madagasikara. Efa miantsona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny sambo mpitondra solika hoy ny OMH... ♦ Noamarinin'ny avy ao Teheran omaly, ny fahafatesan'ny lehiben'ny fiarovana any Iran, vokatry ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny Amerikana sy ny Israeliana...

♦ Namoaka fanambaràna ny ministeran'ny fitsaràna androany momba ny fisiana IST ho an'olona 13 isa. Voalaza fa tsy avy amin'ny ministra teo aloha izany, araka ny vaovao niparitaka omaly... ♦ Lemaka midadasika 100.000 Ha, no hanaovan'ny tetik'asa Invest Mada fambolena any Ambatondrazaka. Pitsopitsony ara-taratasy sisa dia hanomboka izany, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Vola 4 tapitrisa Dôlara isan-taona no hatokan'ny QMM ho an'ny fandraisana andraikitra hampivoarana ny fiaraha-miasa (RSE).  Anatin'ny fampiasàa ny teti-bola taona 20242025 ny orinasa amin'izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...