♦ Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra ny mety hidinan'ilay tataon-ketra 47% takian'ny fitondrana Amerikanina hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza... ♦ Mahatratra 14 tapitrisa Dôlara no vola very momba ny jono tsy manara-dalàna ho antsika eto Madagasikara. Manana drafitr'asa nasiônaly momba ny jono tsy manara-dalàna... ♦ Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetik'asa notohanany ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa. Isan'ny notsidihiny ny famokarana ataon'ireo tanora ao amin'ny fikambanana Soa Mitsinjo Antanetibe-Mahazaza...

• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...

♦ Hindrahindraina loatra ny fitsidihan'Andriamatoa Macron eto Madagasikara, raha mitaha amin'ireo filoha hafa, hoy ny Pr Ralison Roger. Nambarany fa mbola hita taratra ny fanjanahana ara-tsaina, amin'ny fandraisana azy... ♦ Nampitaraina ny maro fa lafo loatra ny saran-dalan'ny Madagasikara Airlines amin'ny zotra anatiny. Nitondra fanazavàna momba izany ity kaompania an'habakabaka nasiônaly ity... ♦ Mitaky ny hampiakarana ho 1.200.000Ariary ny karama farany ambany ny Randrana Sendikaly. Mendrika izany ny mpiasa malagasy, amin'ny fandraisan'i Madagasikara ny fitantanana ny SADC hoy ny avy amin'ity vondrona sendikà ity...

♦ Fanakorontanana ara-politika, hikasàna hanonganam-panjakàna no ao ambadiky ny hetsika tany Toliara hoy ny fanambaran'ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, omaly... ♦ Tsy mankasitraka ny hahatongavan'ny filoha frantsay eto Madagasikara ny Cellule de crise " Diovy i Madagasikara". Mety hanao hetsika hanoherana izany izy ireo... ♦ Efa misy fidinany kely ny vidim-bary eny an-tsena eto Antananarivo ankehitriny. Mihena 200 ka hatramin'ny 500Ariary isaky ny kilao izany, ho an'ireo karazam-bary vao vokarina eto an-toerana... ♦Ahiana handamoka indray ny fampitsaharana ny ady any Ukraine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...