♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'Ambanja, Mgr Donatien Francis Randriamalala, androany antoandro tany an-toerana... ♦ Mandroso ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-5, mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy i Mananara Avaratra. Vinavinaina hanomboka amin'ny faran'ity taona ity ny fandrakofana tara izany... ♦ Mbola mitohy ny fibodoana tany any Brickaville, ataon'ireo olona milaza ho mahitahita eny amin'ny Fitsarana...

♦ Mivory tsy an-kiato manomana ny fihaonam-be hotanerahana ao aorian'ny fahataperan'ny fe-potoana nomeny ny fitondram-panjakana, ireo mpikamban'ny SSM ankehitriny. Ho tapitra amin'ny alahady izao izay fe-potoana nomen'ny SSM handinihana ny fanatsarana ny mpiasa malagasy... ♦ Hanomboka anio, ary hitohy hatramin'ny rahampitso any Toliara, ny Kôngresim-paritry ny antoko TIM. Tonga any an-toerana, manatrika izany ny filoha mpanorina ny antoko... ♦ Hanomboka anio any Algérie ny lalao CHAN. Feno ihany ireo ekipa miray vondrona amin'ny Barea, satria nihazo an'i Algérie androany ny ekipan'i Maroc...

♦ Tsy mpampivelona na rasazy ilay nikasa hangala-jaza tao amin'ny hôpitaly iray tany Toliara, araka ny fanambarana navoakan'ny holafitry ny mpampivelona eto Madagasikara... ♦ Nanao hetsika fanairana noho ny mbola tsy nandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa nantsoina hanampy teny anivon'ny CTC-19, nandritra ny vanim-potoan'ny tena niparithanan'ny Covid-19 teto Madagasikara... ♦ Manahy amin'ny mety tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM tarihin'i Maurice Beranto...

♦  Ahiana mafy ny mety hisian'ny rivodoza hahakasika an'i Madagasikara amin'ny herinandro ho avy io, hoy ny Météo. Mety hisy rivodoza hiforona amin'ity herinandro ity ao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM, raha ny fahitan'izy ireo ny fanomanana amin'izao valo volana mialoaha izao... ♦ Nanao hetsika fanairana androany ireo mpiasa niasa an-tsitrapo teny amin'ny CTC-19. Miisa 732 mianadahy ireo teto Antananarivo no nampanantenain'ny Filoham-pirenena fa horaisina ho mpiasam-panjakana, rehefa vita ny asa nampanaovina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...