♦ Fianakaviana tsy manan-kialofana miisa 12 no manaiky hiverina any an-tanindrazany any Vakinankaratra, rehefa nialokaloka teny amin'ny Centre SEBa sy MAD CAP eny Isotry, hitohy ny hetsika tahaka izao, hoy ny Ministry ny mponina sy ny firaisankina... ♦ Ny 58% amin'ny ankizy mpianatra eto Madagasikara dia saika efa niharan'ny herisetra tany an-tsekoly avokoa, raha ny tatitry ny fikambanana tsy miankina Stop Harcèlement Scolaire... ♦ Mahatsiaro tena ho atao anjorom-bala i Frantsa amin'ny fisitrahana ny fitrandrahana ireo harena ankobon'ny tany eto Madagasikara ka izay no mahatonga ity firenena ity maniry ny hitrandraka ny "terres rares" eto amin'ny nosy...

♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, fahatapahana maharitra ora roa eo hoy ny JIRAMA. An-tapitrisany maro anefa ny faty antoka hateraky ny tsy fisian'ny herinaratra ora vitsy fotsiny hoy ny antoko MAEVA... ♦ Fako plastika milanja 19 taonina isa-minitra no misy manary any an-dranomsina, hihatsona ao Toamasina mandritra ny tapa-bolana hanomboka anio 30 avrily ny sambo masoivohan'ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny fako plastika any an-dranomasina... ♦ Niampy iray ny haren-tsaina momba ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny famoahan'Andriamatoa Imbiky Anaclet ny boky "histoire de l'île sainte Marie..."...

♦ Manentana ny rehetra, hivavaka ho amin'ny fahatanterahan'ny "conclave", hahazoana Papa vaovao ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Vokatry ny fandovana avokoa ny 70% amin'ny fananan'ny Malagasy tany, tokony hamoraina ny fomba ahafahan'ny tantsaha misitraka tany na mahazo tany ahafahany mampiasa tany ary manana izany hoy ny sehatra iombonan'ny fananan-tany... ♦ Hamporisihina handray andraikitra ara-politika sy ny fanamafisana fandriam-pahalemana ny tanora sy ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'Asa... 

♦ Tontosa ny sabotsy 26 avrily 2025 teo ny fanitrihina ny nofo mangatsiaka an'ny Papa François, tao amin'ny fasana voatokana ho azy ao amin'ny Bazilika an'i Sainte Marie Majeur ao Rome, am-piomanana amin'ny fiatrehana ny CONLAVE, hifidianana ny Papa vaovao ny Kardinaly miisa 135... ♦ Mbola voaazon'i Laura Rasoanaivo indray ny medaly volamena eo amin'ny sokanjin-danja 70kg ho an'ny vehivavy nandritra ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, Judo senior,... ♦ Manomboka miverina amin'ny laoniny ny fizahan-tany any amin'ny Faritra atsimo-andrefana, taorian'ny fandalovan'ny valan'aretina Covid-19, mametraka olana ny lafiny fitanterana noho ny haratsin'ny lalana RN7...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...