♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...
♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...
♦ Nahitana fahasimbana ny fitaovana fitoeran'ireo antontataratasy saro-pady hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ho an'ny Distrikan'i Vohipeno. Nitondra fanamarihana momba izany ny rantsamangaikan'ny CENI any amin'ny Faritra Fitovinany... ♦ Ho hentitra amin'ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin'ny fetin'ny Pantekôty, ny minisitera tompon'andraikitra, miaraka amin'ny ATT sy ny DGRS... ♦ Misy hatrany ny hambana lehibe mahazo ireo mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo anefa ny teritery sy ny ramatahora...
♦ Efa azon'ireo kandidà, na ny solontenany, alaina eny anivon'ny Distrika misy azy manomboka izao, ny lisi-pifidianana izay nofaranana ny 15 mey 2024. Natao izany mba hanajana ny mangarahara, hoy ny CENI... ♦ Hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mahefa, momba ny ambarany ho fandikan-dalàna ataon'ny Filohan'ny Repoblika amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, ny Vovonana Firaisankina... ♦ Nitombo hery ilay rivodoza Ialy, saingy mbola lavitra an'i Madagasikara. Vinavinaina ho levona an-dranomasina izy io amin'ny fiandohan'io herinandro io...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco