♦ Tsy faly tamin'ny fanitsiana sy ny fanasaziana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna ny zandary iray mpiana-draharaha tany Beroroha ka nitifitra ny lehibeny. Maty vokatr'izany ny Kapiteny Franck Muller. Maty nitifi-tena ihany koa ilay zandary mpiana-draharaha... ♦ Manana paik'ady amin'ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao ny tompon'andraikitry ny Fonja eto Madagasikara hampihenana ny fivangongon'ny voafonja misy ankehitriny... ♦ Namoaka voka-pikarohana nataony nandritra ny 35 taona momba ny eny ambanivohitra ny mpampianatra mpikaroka, Hugues Rajaonson. Resahana anatin'izany ny pôlitika hahalasa ho mpandraharaha ny tantsaha mpamokatra...
♦ Hoampiasaina avokoa ireo foibe famokarana herinaratra ao Ambohimanambola na dia mandany volabe aza izany hoy ny Filoham-pirenena raha nitsidika teny an-toerana izy omaly. Hamahana ny olan'ny delestazy amin'izao fotoana izao no tanjona... ♦ Fototra mahafaty momoka ny tolom-bahoaka teto Madagasikara ny tsy fanajàn'ny mpanao pôlitika ny hetaheta sy ny safidim-bahoaka hoy Profesora Ralison Roger. Manampy trotraka ny fitsabahan'ny any ivelany ny raharaham-pirenena... ♦ Miantraika lalina any amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivo-doza mahery vaika sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa... ♦ Manantena ny hiaton'ny ady mialohan'ny 5 novambra izao ny PM any Liban...
♦ Ahena hatrany amin'ny 80% ny délestage eto Madagasikara ato anatin'ny fotoana fohy, ary ho foana tanteraka izany amin'ny taona ho avy, hoy ny Filohan'ny Repoblika, androany... ♦ Miantraika lalina amin'ny ankizy eto Madagasikara ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, izay miteraka rivodoza mahery vaika, sy hain-tany any amin'ny faritra samihafa eto amintsika... ♦ Malaina mametraka ny mangarahara amin'ny teti-bolam-panjakana ny tompon'andraikitra misahana izany eto amintsika, hoy ny Rohy...
♦ Ahiana hihitatra any amin'ny fipoahana ara-tsôsialy ny hetsika mifanesisesy izay hanehoan'ireo mpanjifa ny tsy fisitrahana jiro sy rano avy amin'ny JIRAMA hoy ny mpandinika fiaraha-monina... ♦ Andrasana ny hahatongavan'ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 eny amin'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Renim-pianakaviana iray mpivarotra no maty notifirin'ny jiolahy omaly tao Toamasina... ♦ Tafakatra 30 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo namoy ny ainy noho ny fanatontosany ny andraikiny any amin'ny tany miady hatramin'ny niandohan'ity taona ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco