♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...
♦ Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan'ny Kristiana ny fanendren'ny Papa François an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Eveka vaovao hitantana ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Nanolotra fanampiana samihafa ho an'ireo tovolahy mpiofana ao amin'ny seminera Prôpedetika Amboara Ambohidratrimo ny "VKM" Vehivavy Misiônera Katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niavaka sy nakotroka ny fankalazana ny famaranana ny taona sy ny taom-baovao Malagasy tamin'ity taona ity. Loha-hevitra nampisalorana izany ny hoe "fifamelana fiombonana, firindrana"... ♦ Tafakatra 31.045 ireo teratany Gazaoui namoy ny ainy vokatry ny ady eo amin'ny Hamas sy ny Tafika Israeliana, raha ny tatitry ny Hamas...
♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...
♦ Nanetriketrika ny fankalazana ny 8 marsa nanerana ny nosy omaly. Samy nanana ny endriky ny fanamarihana ny toerana samihafa, ankoatra ny hetsika ôfisialy tany Toamasina, notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena... ♦ Mbola vitsy ireo vehivavy sahy misehatra eo amin'ny resaka pôlitika eto Madagasikara. Vehivavy mpanao pôlitika iray no hitondra ny heviny momba ireo sakana ho azy ireo, amin'ny sehatry ny pôlitika... ♦ Nampiakarin'ireo any ifotony ny vidin'ny volamena. Nitaraina ireo mpandraharaha 6 nahazo alalana hanondrana volamena any ivelany, fa maty antoka izy ireo, vokatr'izany fanararaotana izany... ♦ Mpianatra hatrany amin'ny 300 isa no nisy naka an-keriny tany avaratra-andrefan'i Nigéria...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco