♦ Nodimandry tampoka androany maraina tao Fianarantsoa ny Talen'ny Radio Fivé Morombe Mompera Ranamandrainy Caliste, 43 taona izy izao nidaosin'ny fahafatesana izao... ♦ Nahetsiky ny fitondrana hanamora ny fitanterana amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao ireo fiarabe FOTON miisa 250. Hisy ny fanaraha-maso ataon'ny mpitandro filaminana ireo fiarabe ireo... ♦ Tontosa teny Alarobia ny andiany voalohany amin'ny Symposium momba ny Cybersécurité eto Madagasikara... ♦ Niala tsy ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Fitsaràna iraisam-pirenena misahana ny heloka CPI i Niger...
♦ Niombom-po tanteraka tamin'ny teto amin'ny RDB ireo mpihaino tonga marobe nandritry ny varavarana misokatra notanterahana tety Ivato omaly. Tratra ny tanjona ho an'ny mpikarakara ; afapo tamin'ny fitsidihana ireo mpihaino... ♦ Miantso fitoniana amin'izao fotoana ankalazana ny fetim-pirenena izao ny mpanao pôlitika. Mila tadiavina ny marimaritra iraisana manoloana ny olan'ny fitanterana eto Madagasikara hoy Andriamatoa Régis Ramamonjisoa... ♦ Nafindra ao Ambavarano ny toera-piatsonan'ny taxibe ao amin'ny Kaominia Ambohidratrimo. Notokanana tamin'ity herinandro ity ny foto-drafitr'asa vaovao momba izany...
♦ Vavolombelon'ireo vanim-potoana nolalovana teo amin'ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-piangonana ary mbola vonona hiatrika ireo fanamby manoloana ny fivoarana amin'ny tontolon'ny serasera ny Radio Don Bosco amin'ny 30 taona izao... ♦ Handray ny tambin-karamany volana mey mialohan'ny 26 jona ireo mpiasa miandraikitra ny fanoratana anarana biométrique, mbola tsy nisitraka izany... ♦ Homen-danja ny hevitry ny eny ifotony sy ny Malagasy manoloana ny olana ara-tany izay tena mampikaikaika ny Malagasy, hoy ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany...
♦ Hisokatra ho anao mpihaino sy mpankafy anio alarobia 24 jona ny onjam-peo Radio Don Bosco mandritry ny Porte-Ouverte manomboka amin'ny 8ora sy sasany maraina... ♦ Nanomboka niverina niasa tsikelikely ireo fiara fitateram-bahoaka ho an'ny androany maraina, taorian'ny fitokonana nataon'ireo mpamily sy ireo mpanampy ny mpamily omaly talata 23 jona 2026... ♦ Hanamafy ny fanaraha-maso ny entana lany daty sy ny kalitaon'ny entana amidy eny an-tsena ny mpanara-mason'ny varotra mivondrona ao amin'ny Sendika SAC.C.M...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco