♦ Tontosa ny Ivon'ny fankalazàna ny faha-25 taonan'ny VAHATRA, vovonan'ny ankizy katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Ankizy maherin'ny 9.000 isa no nanatrika izany nandritry ny telo andro... ♦ Hanomboka anio ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ity taona ity manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madaagasikara. Mpiadina maherin'ny 320.000 isa voasoratra hiatrika izany... ♦ Nanome toky ny vahoaka omaly ny eo anivon'ny hery fiarovana sy filaminana sy ny Ministry ny Atitany fa efa misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny hala-jaza sy tsy fandriam-pahalemana tato ho ato izay...
♦ Adraisana fepetra ireo olona voaporofo fa naka vola tamin'ireo tanora momba ny resaka fandraisana miaramila ho mpiasam-panjakàna raikitra (rengagement) hoy ny Ministry ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Valo volana aty aorian'ny fampiatoana azy, hiverina hiasa manomboka amin'ny fiandohan'ny herinandro ambony io ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana... ♦ Vonona amin'ny fandraisana ny fanadinam-panjakàna BEPC hanomboka ny alatsinainy 6 jolay izao, ireo ivon-toerana manerana ny nosy, Kandidà maherin'ny 327.000 isa no voasoratra anarana hiatrika ny fanadinana...
♦ Notifirin'ireo mpiambina manokan'ny Filohan'ny Fanavaozana teny amin'ny manodidina ny faritry La-City Ivandry ireo "Drone" miisa roa nanaraka ny fiaran nitondra ny Kôlônely Randrianirina Michaël, omaly zoma hariva... ♦ Miisa 11 ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna nodinihana sy nolanian'ireo solombavambahoaka nandritry ny fivoriana ara-potoana voalohany, tamin'ity taona ity... ♦ Manambana hanao fitokonam-be manerana ny nosy ireo sendikà eo anivon'ny CNaPs, eo ampiandrasana ny valin'ny fitakiana ataon'izy ireo...
♦ Niakatra ho 300.000Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara. Mbola hisy fiakarana izany amin'ny volana oktobra, araka ny fampahafantarana avy amin'ny Ministeran'ny asa, androany... ♦ Tsy eken'ny Randrana Sendikaly ny fiakaran'ny karama farany ambany, izay ambaran'izy ireo fa soso-kevitry ny mpampiasa. Nanao diabe nihazo an'i Mahazoarivo izy ireo, androany... ♦ Tratran'ny Filohan'ny Fanavaozana ireo fiarabe mpanototra tany amin'ny alina eny amin'ny By-Pass. Tsy afa-bela ny tompon'ireo fiarabe 13 mpitaona tany ireo, noraisina ny fepetra...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco