♦ Mitaky ny hanamafisana ny sazy ho an'ireo teratany vahiny mpitrandraka an-tsokosoko ny haren-dranomasina eto amintsika ny firaisamonim-pirenena malagasy... ♦ Misedra olana indray ny fitaterana solika mavesatra avy any Toamasina ampiasain'ny orinasa JIRAMA. Anton'ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo amin'izao fotoana izao... ♦ Laharam-pahamehana ny fampiharana ny fehin-kevitra tamin'ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo na ny PNDE, hoy ny COJM. Ny COJM izay vovonana iombonan'ny fikambanan'ny Malagasy Tanora...

♦ Ministeran'ny fahasalamana : Malagasy 8.300 isa, isan-taona no matin'ny fifohana sigara, mila hamafisina ny ady atao amin'ny fivarotana antsokosoko ny sigara... ♦ Fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary : Fomba fiasa vaovaon'ireo tambazotra mpanao izany indray ny fampiasana ny tambazotran-tserasera "facebook" hanangonana izany... ♦ Lavon'ny balan'ny pôlisy avy amin'ny USI ny jiolahy telo lahy saika hanao fanafihana teny Ilafy, omaly talata faha-23 ny volana jolay, araka ny fampitam-baovaon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Hanohy ny asa fampandehanan-draharaha mandrapaha-vita ny lalao olympique ny governemanta mpisolo-toerana ao Frantsa araka ny fanambarana nataon'ny filoha Frantsay...

♦ Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato : Fanambin'ny Filohan'ny Repoblika ny hampihena na hanafoana tanteraka ny kolikoly eny amin'ny fadin-tseranana... ♦ Azo atao ny misoroka ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ireo fampiasam- bolam-panjakàna hoy ny tale jeneralin'ny Sampandraharaha misahana ny fitsirihana ara-bola... ♦ Filohan'ny fikambanan'ny mpianatra eny amin'ny Université Antananarivo : Nanao fanambarana nanatsikafona ireo olana maro misy eny anivon'ny anjerimanontolo... ♦ Teratany Irakiana miisa 10 nigadra tao amin'ny fonjan'i Al Hout ao Nassiriya no novonoina nahaton'ny fitondram-panjakàna tany an-toerana tamin'ny tady...

♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...