♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara. Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'izy ireo omaly, nandritra ny fitsidihana tao Vatican... ♦ Mitana ny sain'ny mpanara-baovao ilay fifampitifirana nahafaty olona dimy teny Amparihikely Andohanimandroseza, ny talata teo... ♦ Hiakatra Fampanoavana eny amin'ny Fitsarana anio, ny mpandrindra ny Randrana Sendikaly sy ny Filohan'ny SECES Sampana Antananarivo. Indroa alina izy ireo no notazonina teny Fiadanana. Nampangaina ho manohintohina ny fiandrianam-panjakana...

♦ Mitana ny sain'ny maro ilay fahafatesan'olona dimy notifirin'ny mpitandro ny filaminana teny Andohanimandroseza. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana amin'izao, ka efa nisy ny olona nohenoina momba izany... ♦ Tsy misy fifandraisany amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ireo olona dimy namoy ny ainy, noho ny raharaha fifampitifirana teny Andohanimandroseza. Nanao fanambarana momba izany ireo mpiasa akaiky an-dRamatoa Christine Razanamahasoa...

♦ Mananika ny 45% ny taham-pandraisana anjaran'ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo. Efa miparitaka koa ny fanasana avy amin'ny CENI amin'ny famoahana ny voka-pifidianana vonjy maika ny sabotsy izao... ♦ Somary ratsy ny kalitaon'ny vokatra litchis tamin'ity taona ity raha ny nambaran'ny filohan'ny fikambanan'ny zanak'i Toamasina na ny FIZATO. Efa nisokatra tamin'ity herinandro ity moa ny taom-piotazana... ♦ Laharam-pahamehana ho an'ny ministeran'ny asa ny fampanana asa ny tanora. Miatrika fivoriana fanamafisana traikefa momba izany ety Ivato ny solotenan'ny ministera isam-paritra, izay miara-miasa amin'ny RDB...

♦ Nanatanteraka fihaonana samy hafa omaly ny birao maharitry ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara izay mamita iraka any Vatican... ♦ Samy nanao fihantsiana sy fanaratsiana tamin'ny tambazotran-tserasera ireo mpanohana ny ankamaroan'ireo kandidà hoy ny Justice et Paix androany, raha nanao ny tatitra savaranonando tamin'ny fanaraha-maso ny fifidianana... ♦ Samy voatazona eny amin'ny zandary sampana fikarohana heloka bevava eny Fiadanana i Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy i Barson Rakotomanga, taorian'ny fihainoana azy ireo nanomboka omaly tolakandro...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...