♦ Tsy nisy intsony nanomboka ny maraina teo ny fironam-bokatra, tamin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, izay navoakan'ny CENI... ♦ Hiakatra kianja ao Afrika Atsimo anio ny Barean'i Madagasikara. Arahanao ao anatin'izao vaovao izao ny hevitry ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Hotokanana amin'ny 15 jona 2024 ny MIAMI ao Toamasina...

♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...

♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...

♦ Manohy ny fivoriana ara-potoana voalohany nihato nandritra ny fampielezan-kevitra indray ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza androany. Hotapahana mandritra izany ny tohin'ny fandaharam-potoana... ♦ Hanangana amin'ny fomba ôfisialy ny Kômity Miaro ny Safidim-Bahoaka na ny KMSB ny Vovonana firaisan-kina. Mivory eny Ambohimanambola ireo kandidàn'ny Firaisan-kina rehetra manerana ny nosy, tamin'ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny fambolena indrindra fa ny voly vary ny fitondrana Koreana tatsimo. Vita sonia omaly ny fifanarahana momba izany... ♦ Niaiky ny maha tompon'antoka azy ireo tamin'ny fanafihana sekoly nandray mpitsoam-ponenana ny palestiniana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...