♦ Mbola manana zom-pirenena malagasy ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny HCC teo aloha, Eric Rakotoarisoa... ♦ Tokony hosaziana ireo Andrim-panjakana tsy manara-dalàna, hoy ny fikambanana Fiverenana Andoharano... ♦ Niverina ny asan-dahalo, ny halatr'omby sy ny fakana an-keriny ary ny vaky fasana ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo...

♦ Nandray fepetra manokana ka nanamora ny fahafahan'ireo kandidà mampiasa angindimby amin'izao fifidianana izao ny eo anivon'ny ACM... ♦ Efa fitsapan-kery no misy eto amin'ny firenena fa tsy firesahana lalàna intsony, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay... ♦ Mbola miato ny fampianarana sy ny fikarohana eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana Nasiônaly, ary tsy misy hatramin'ny famoahana voka-panadinana, hoy ny teo anivon'ny SECES...

♦ Notafihan'ny dahalo mitam-piadiana androany maraina ny tao Ankilimida, Distrikan'i Mahabo, Faritra Menabe. Miaramila iray sy dahalo iray no maty vokatry ny fifanjevoana teo amin'ny dahalo sy ny fokonolona miaraka amin'ny miaramila nanara-dia ireo mpanafika... ♦ Handray anjara amin'ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena ho fampivoharana ny asa-tanana eto Madagasikara ny Federasiôna ivondronan'ireo Tranoben'ny asa tanana sy ny haitao na ny FC. MAM... ♦ Tanterahana ao amin'ny ENS Ampefiloha ao Antananarivo renivohitra mandritra ny telo andro ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanavaozana sy ny fomba fampianarana ny zava-misy ankehitriny sy ny vinavina momba ny ho avy...

♦Nihaona tamin'ny iraka manokan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana mamita iraka eto Madagasikara ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa 11. Tsy miady amin'ny kandidà Andry Rajoelina izy ireo fa mikatsaka ny tombontsoa ambonin'ny firenena hoy ny mpitondra teniny... ♦ Efa miaina tsy fitoniana isika eto Madagasikara hoy ny FFKM. Mikatsaka vahaolana amin'ny alalan'ny fifampidinihan'ireo kandidà mandray anjara izy ireo. Tsy misy resaka fifanarahana pôlitika kosa anefa ny momba izany... ♦ Hanomboka anio maraina eny amin'ny MPE Nanisana ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny FAmbolena na ny FEPA andian'ny faha-15. Mpamokatra miparitaka amin'ny trano heva 130 no mandray anjara...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...