♦ Efa tsy eo am-pelatanan'ireo mpikamban'ny Birao maharitry ny CENI teo aloha intsony ireo fiara sy moto nampiasain'izy ireo, nandritra ny fotoam-piasany. Fantatra fa ny Birao maharitry ny CENI ankehitriny no nitory azy ireo teny amin'ny Bianco... ♦ Tsy marina ny filazana sy ny fivoizana fa lasan'ny teratany sinoa, ny toerana famonoana omby manara-penitra ao Tsiroanomandidy, hoy ny Solombavam-bahoaka Haja Ramaherijaona... ♦ Mangataka ny filan'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny Sendikàn'ny Mpampianatra SEMPAMA, araka ny fanambarany androany...
♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny fiandohan'ny volana ôktôbra izao ny biletà tokana natonta any Afrika-Atsimo... ♦ Fiara tsy mataho-dalana miisa 9 sy MOTO 11 isa no nogiazan'ny BIANCO, taorian'ny fanadihadiana nataony tamin'ireo tompon'andraikitra miisa 9 teo aloha teo anivon'ny CENI, noho ny tsy namerenan'izy ireo izany fitaovana izany... ♦ Mandray anjara amin'ny fametrahana ny filaminana maharitra eto amin'ny firenena ny Centre Arrupe Madagasikara ka hikarakara hazakazaka ho an'ny fandriam-pahalemana amin'ny alahady izao...
♦Tsy misy andininy ao amin'ny Lalam-panorenana manome fahefana olona na vondrona hafa handray ny andraikitry ny filoham-panjakàna vonjy maika, ankoatry ny Governemanta, miara-misahana izany hoy ny HCC... ♦ Zava-dehibe ny fanajàna ny Lalàm-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana ary manipika hatrany ny fanohanany ny zotram-pifidianana mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena, mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena... ♦Hifarana anio, ny fiofanana omena ny mpitandron'ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja karakarain'ny ENAM Androhibe sy ny Ministeran'ny Fitsaràna, izay eo ambany fanohanan'ny vondrona SADC...
♦ Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana... ♦ Nanao jery todika ny asa vitany nandritra ny folo taona ny fandaharan'asa FORMAPROD eto Analamanga. Nakatona androany ny sehatr'asa ho an'ny eto Analamanga... ♦ Manofana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja, ny Sekolim-pirenena ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, na ny ENAM eny Androhibe sy ny Minisiteran'ny Fitsarana...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco