♦Tsy misy andininy ao amin'ny Lalam-panorenana manome fahefana olona na vondrona hafa handray ny andraikitry ny filoham-panjakàna vonjy maika, ankoatry ny Governemanta, miara-misahana izany hoy ny HCC... ♦ Zava-dehibe ny fanajàna ny Lalàm-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana ary manipika hatrany ny fanohanany ny zotram-pifidianana mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena, mangarahara, azo antoka, mampiaty ary milamina ny mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena... ♦Hifarana anio, ny fiofanana omena ny mpitandron'ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja karakarain'ny ENAM Androhibe sy ny Ministeran'ny Fitsaràna, izay eo ambany fanohanan'ny vondrona SADC...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...