• Nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Paris ny tolak'andro teo, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël... • Nitohy tetsy amin'ny CCI Ivato androany, ny fihaonana tafiditra ao anatin'ny dinika ho fanaingana ny toekarena malagasy... • Tafapetraka ao Toamasina ny Centre Opérationnel Mixte, natao handrindra sy hanafainganana ny asa fanarenana any an-toerana, araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BNGRC...

♦ Hidinika ao amin'ny Lapan'i Elysé anio tolak'andro ny filoha frantsay sy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara. Fihaonana voalohany eo amin'ny roa tonta, taorian'ny fiovam-pitondrana teto Madagasikara... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin'ny fonjan'Avaradrano Andriamatoa Vy Vato Rakotovao. Nohainoana teo anivon'ny Fitsaràna teny Anosy, omaly, ity governoran'i Vakinankaratra ity noho ny raharaha hiampangàna azy... ♦ Hampiakarina ny tahan'ny sekoly eto Madagasikara hisitraka fampisakafoana ireo mpianatra ao aminy. Misy ny fandaharan'asa mifototra amin'ny fividianana vokatra eny ifotony...

♦ Niatrika fivoriam-be voalohany fanao isan-taona ny FFVA eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Hihaona amin'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron anio ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Omen-danja amin'ny fampiofanana ireo voafonja hanamafisana ny fanabeazana ireo voafonja. Nosokafana tamin'ny fomlba ôfisialy ny faran'ny herinandro teo ny taom-panabeazana 2026... ♦ Niantso ireo terataniny monina any Iran i Inde hiala any an-toerana, taorian'ny fandrahonana nataon'ny filoha amerikana, hanafika ity firenena ity...

♦ Misy ny akon'ny fivoriam-be voalohany fanao isan-taona ho an'ny FFVA eto amin'ny Arsidiôsezin'Antananarivo... ♦ Nanainga androany nihazo an'i Frantsa ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Natomboka androany tao amin'ny kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo ny hetsika fizarana karatany faobe... ♦ Hitohy any Geneve, amin'ny alakamisy ho avy izao indray, ny fihaonana hifanakalozan-kevitra momba ny raharaha nokleary eo amin'i Etazonia sy Iran...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...